Manamafy ny fiaraha-miasa amin’i Sina sy Rosia i Madagasikara. Sina dia efa ela no nisandrahaka maneran-tany, indrindra taty Afrika.
Anisan’ny voalazan’ny sinoa rehefa misy fifanarahana ara-toekarena dia hoe « gagnant-gagnant » na samy tokony hivoaka mpandresy ny firenena maro. Tokony hapetraka ny tombontsoa ambonin’ny firenena rehefa mametraka fiaraha-miasa aminy. Eo ihany koa ny fanajana ny lalàna velona, indrindra ny lafiny fanajàna zon’olombelona. Ho an’i Rosia manokana dia somary tara kokoa ny fifandraisany amin’izao tontolo izao raha oharina amin’i Sina. Mamerina ny lanjany eo amin’ny lafiny politika eo imason’ny iraisam-pirenena i Rosia taorian’ny fihaonambe Rosia-Afrika tany Sotchi. Efa ela no nitady hirika hiara-kiasa amin’i Madagasikara ity firenena ity. Fihaonana tamin’ireo filoham-pirenena teo aloha, fanohanana kandidà am-polony nandritra ny fifidianana filoham-pirenena 2018. Zavatra ilain’i Madagasikara ny fampitomboana ny « investissement direct étranger » ary na ny sinoa na ny rosianina dia manana tetibola goavana afaka hampandroso ny firenena ; toy izany ihany koa ny firenena arabo. Saingy tsy voatery izay ambaran’ireo firenena matanjaka no hotanterahina fa mila mafy isika amin’ny fifampiresahana. Fotoana izao tokony hametrahan’i Madagasikara ireo olona sangany amin’ny fifampiresahana mba hiaro ny tombontsoam-pirenena, ny fiandrianam-pirenena ara-tsosialy sy ara-toekarena manoloana ireo famatsiam-bola sy tetikasa mirarakopana eto amintsika. Tsy fotoana intsony izao hanarahana be fahatany izay ataon'ireo firenena afrikanina fa tokony hiaro ny tombontsoany manokana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.