Tsy mahagaga ny tsy fandehanan’ny fitantanana ny raharaham-pirenena eto Madagasikara, hoy ny dokotera Randriamiarisoa Joseph.
Tsy voafehy mantsy ireo sehatra samihafa mahakasika mivantana ny fiainan’ny mponina. Taratry ny fahalemen’ny fanjakana avokoa manoloana ny fahasahiranan’ny firenena ireo karazana tranga mampalahelo mikiky ny fiarahamonina ankehitriny toy ny hain-tany, ny tondra-drano, ny tsy fandriampahalemana, ny fakana an-keriny sy vono olona, ny fanondranana fananam-pirenena, ny kolikoly sy ny maro hafa. Iaraha-mahalala ary voaporofo fa fototry ny kolikoly rahateo ny fitantanan-draharaham-panjakana eto amin’ny firenentsika raha tsy ilaza afa-tsy ny tarehi-marika momba ny fitsarana, ny zandary na koa ny polisy. Adidy sy andraikitra voalohany takiana amin’ny fanjakana mijoro eo anivon’ny firenena iray moa ny fahafahany miahy ny vahoakany miaraka amin’ny fiarovana ireo harena misy ao aminy. Masontsivana izay tsy hita misongadina mihitsy amin’ny fitondrana mahefa sarisarim-panjakana amin’izao fotoana izao. Vahaolana maika ny fananantsika fanjakana mari-pototra sy mendrika raha tiana ny hampiova zavatra eto Madagasikara, araka ny fanamarihan’ity minisitry ny Tontolo iainana teo aloha ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.