Politique

Firenena Mikambana Manohana hatrany an’i Madagasikara


  • Sabotsy 02 Aprily 2016

Hisy ny fehin-kevitra mafonja hivoaka momba ny tanjona ho amin’ny fampandrosoana maharitra (ODD) aorian’ny fivoriana atao amin’ny minisitera isan-tsokajiny,

 

hoy ny solontena maharitry ny firenena mikambana vaovao eto amintsika, Rtoa  Violet Kakyomya Kenyana omaly raha nihaona tamin’ny filohan’ny repoblika teny Iavoloha ny tenany. Izy indray izany no misolo toerana an-dRamatoa Fatma Samoura izay niasa teto Madagasikara nandritra ny dimy taona (2010-2015), ka omaly no nanolorany teny Iavoloha ny taratasy fanendrena azy avy any amin’ny firenena mikambana. Manampahaizana momba ny « leadership » avy ao amin’ny oniversite Anglisy malaza indrindra maneran-tany dia ny Oxford University Rtoa  Violet Kakyomya Kenyana. Ankoatra izay dia manampahaizana momba ny fandrindran’asa sy fampandrosoana ary ny politika ara-tsosialy ihany koa izy. Nohamafisiny fa eo anilan’i Madagasikara hatrany amin’ny asa fampandrosoana sy fanamafisana orina ny filaminana ataony ny firenena mikambana. Hitohy ihany koa ny asa miaraka amin’ny governemanta Malagasy amin’ny fikaroham-bahaolana hanasoavana ny vahoaka Malagasy, hoy izy. Niasa tany Ginea Bissau sy Malawi mialoha izao nahatongavany teto Madagasikara izao Rtoa Violet Kakyomya Kenyana.


 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT