Iray amin’ireo rantsana 13 ny Firenena Mikambana miasa eto Madagasikara ny Banky Iraisam-pirenena ka ramatoa Coralie Gevers no mpandrindra izany.
Ity banky ity no tena anisan’ny mamatsy vola be indrindra an’i Madagasikara eo amin’ny fampandehanana ny fitantanan-draharaha eto amintsika. Tafiditra ao amin’ny tetikasany amin’ny fampihenana 3% ny isan’ireo olona miaina ao ambanin’ny 1,25 dolara Amerikanina na 2500 ariary hatramin’ny taona 2030, ny fampiakarana hatrany amin’ny 40% ny vola miditra amin’ny tokantrano tena mahantra, ny fanatsarana ny fomba fitantanana amin’ny alalan’ny ady amin’ny kolikoly sy ny fametrahana ny fanjakana tan-dalàna sy tsara tantana dia vola hatrany amin’ny 715 tapitrisa dolara Amerikanina na 1430 miliara ariary no atontony eto Madagasikara ka mitsinjara toy izao hita anaty tabilao izao.
TABLEAU
Tsiahivina fa ramatoa Violette Kakyomya no mpandrindra ny Firenena Mikambana eto Madagasikara sady solontena maharitry ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana momba ny fampandrosoana na ny Pnud. Ireo rantsana hafa kosa ankoatra ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Tahirim-bola iraisam-pirenena dia ny Oit (asa), Fao (sakafo), Oms(fahasalamana), Onudi (indostria), Onusida (ady amin’ny Sida), Unesco (fanabeazana, siansa sy kolontsaina), Unfpa (mponina), Pam (sakafo) ary ny Unicef (reny sy ny zaza). Hatreto aloha dia miankin-doha amin’ny ampahany betsaka amin’ireo sampandraharahan’ny firenena mikambana ireo i Madagasikara ary tena hita ny fahavoazana vantany vao mihena na tsy misy ny fanampiana avy amin’izy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.