Politique

Firenena malagasy Mizotra mankany amina krizy indray


  • Alatsinainy 25 Martsa 2019

Raha ny tondro eo amin’ny sehatra iraisampirenena ankehitriny dia mizotra ho any amin’ny fahantrana lalina i Madagasikara izay maro amin’ny mponina ao aminy no miaina fidiram-bola latsaky ny 1,90 dolara isan’andro.

 

 

 Tsy voafehy ny tsy fandriampahalemana. Mbola tondraka ary mampametra-panontaniana aza hoe sa tondrahana mihitsy ireo entana vahiny ny tsena anatiny mba hamotehana ny fandraharahana Malagasy? Tena hanampy ny tantsaha izay mameno ny 80%n’ny Malagasy ve ny fampidirana vary Pakistanais manalasala kalitao sa vao mainka aza  hamotika tanteraka ny fihariany? Mba tsy hampahatsiahivana ny tenin’ilay mpanao politika iray izay hoe tsy hisy mpandraharaha Malagasy intsony eto raha izao no mitohy ary tsy ireo mpandraharaha ihany moa fa izay sahy miteny rehetra dia saika henjehina avokoa. Efa mandindona mampiseho izay toe-java misy izay moa ireo fitokonana miha manambana marobe ary dia mitady hampitombona ilay ahiahy hoe tsy ho feno roa taona akory dia hiseho ny mariky ny tsy fahaiza-mitantana ka ho avy eo indray ny savorovoro. Ny fitokonana sasany ireny efa niara-nahita fa lasa loharanon-kerisetra tany Antalaha ireny.

 

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT