Politique

Firehana Ravalomanana-Faradofay Mitaky ny hitsarana an-dRajoelina koa


  • Alakamisy 15 Martsa 2012

“Tokony hifona amin’ny Malagasy i Andry Rajoelina”, hoy ny avy amin’ny firehana Ravalomanana any Faradofay raha nitafa tamin’ny mpanao gazety ao an-toerana ny faran’ny herinandro teo.

 Niainga tamin’ny vaky bantsilana nataon’ny Profesora Zafy Albert manoloana ny zava-doza mitranga eto amin’ny firenena tao anatin’izay telo taona nitondran’i Andry Rajoelina izay ny famelabelarana nataon’ny avy amin’ny firehana Ravalomanana. Notsongain’izy ireo tamin’izany ny afera “bois de rose” tsy miato mandrak’ity ny anio, ny fangoronan-tany tsy ara-dalàna lazaina fa hanampiana ny tanora, ny fanodinkodinana harem-pirenena, ny tsy fanajana ny zon’olombelona sy ny maro hafa. “Noho ireo rehetra ireo dia tokony hafainganina ny fitsarana an’i Andry Rajoelina”, hoy ny firehana Ravalomanana any Faradofay ary “tokony hiaiky ny hadisoany eo imasom-bahoaka ny filohan’ny FAT”. Nahitsy ny tenin’ireto firehana Ravalomanana ireto, nilaza fa “raha mitady izany filaminana sy fitoniana ara-politika izany ny Malagasy, dia tsy azo ihodivirana ny fifamelan-keloka, ka avela hiverina eto an-tanindrazana tsy misy fepetra ary afaka milatsaka hofidina ho filohan’ny Repoblika Marc Ravalomanana”.

Natiora OTH

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT