Politique

Firaisamonim-pirenena “Tsy manisy lanja ny fifidianana mpanolotsaina”, hoy ny KMF-Cnoe


  • Alakamisy 14 Novambra 2019

Mbola vitsy amin`ireo olom-pirenena Malagasy no mahafantatra fa hisy fifidianana amin`ny 27 novambra izao.

 

 

Misy ihany ireo mahafantatra saingy ny fifidianana ben`ny tanàna ihany no fantany. Tsy ampy ny fampahafantarana sy fanentanana amin`ny mponina amin`ny karazana fifidianana roa hatrehina eto amin`ny firenena. Tsy fantatry ny ankamaroany ny hataony mandritra ny fifidianana. Ny fanentanana dia andraikitry ny firaisamonim-pirenena saingy ny fifidianana ben`ny tanàna ihany no fantatry ny mponina, hoy ny tatitry ny KMF-Cnoe. Ny ankamaroan`izy ireo dia tsy manisy lanja amin`ny fifidianana mpanolotsaina izay atao amin`ny 27 novambra izao. Mitana andraikitra lehibe amin`ny fitantanana ny tanàna anefa izy io. Ankoatra ny fanentanana dia mijery ireo trangana tsy fanarahan-dalàna mandritra izao fampielezan-kevitra izao ny KMF-Cnoe. Rehefa misy tsy fanarahan-dalàna dia mametraka fitoriana toy izay efa nataon`izy ireo tamin`ny fifidianana solombavambahoaka ihany koa ny KMF-Cnoe.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT