Tsy mbola tapitra hatreo ny raharaha mikasika ilay fanodinkodinam-bola mitentina 390 tapitrisa ariary tany amin’ny kaominina Ambohimahamasina.
Anisan’ny voatonona ao i Claudine Razaimamonjy, tompon’ny hotely A&C sady mpanolotsain’ny Filoham-pirenena. Efa in-droa nampiantsoan’ny Bianco ny tenany saingy tsy novaliany. Nanamarika ny Firaisamonim-pirenena Rohy omaly, fa tsy misy olona ambonin’ny lalàna, ka hirehareha amin’ny fahefana sy ny toerany ka hanao fitaovana izany hiarovan-tena. Tsy midika rahateo fa efa meloka izy na tsia fa kosa tokony hanaja hatrany ny lalàna velona eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Anisan’ny niaro fatratra io ramatoa io sy ireo voarohirohy i Riana Andriamandavy VII, loholona HVM. Nomarihiny fa tsy mendrika amin’ny toeran’ny loholona tahaka azy ny fanaovana izany. Ny olona tokony ho fitaratra amin’ny fanarahan-dalàna indray ankehitriny no manome lesona ratsy ho an’ny fiarahamonina, ka tsy atao mahagaga raha mitotongana toy izao ny fiainam-pirenena. Fiarovana tombontsoa sy fiarovana ny rambony tsy ho tapaka no masaka ao an-tsain’ity loholona ity ka tsy atao mahagaga raha mivaona tahaka izy. Efa somary voatonontonona tamin’io raharaha io mantsy ny tenany noho izy nitana ny toeran’ny lehiben’ny faritra Matsiatra Ambony ny taona 2014 nisian’izao raharaha maloto izao.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.