Taorian’ny antso avo nataon’ny FFKM ny amin’ny hampihaonana ireo vondrona politika eto Madagasikara sy ny hirosoana amin’ny fanelanelanana dia nanapa-kevitra ny vondron’ny firaisamonim-pirenena sy ny olom-pirenena fa hofoanana ilay tanàna maty na « ville morte » nokasaina hotanterahana eto Antananarivo ny zoma 5 aprily ho avy izao.
Atoa isany Hugues Rajaoson sy Serge Zafimahova moa no mitondra tenin’ity fikambanana ity. Mahavelombolo ary tena namelona indray ny afon’ny fitiavan-tanindrazana any am-pon’ny tsirairay, hoy ny fanambarana navoakan’izy ireo ity antso lehibe avy amin’ny FFKM ity, ary tokony handray ny andraikitra tandrify azy ny tsirairay. Nomarihin’izy ireo fa fitaovana fanehoan-kevitra sy fanairana ary fanerena ny fanaovana tanàna maty fa tsy tena hoe io akory no tanjona. Tokony hotohanana amin’ny hetsika fampihavanana ataony ny FFKM, hoy ny “vondron’ny firaisamonim-pirenena sy ny olom-pirenena” ary tena adidin’ny olom-pirenena mihitsy izany, raha toa ka tsy tiana ho potiky ny krizy lavareny ny toekarem-pirenena.
Tsy tokony ho maimaika amina vahaolana moramora isika, hoy ity fikambanana ity fa handinika tsara ny tena mety ho an’ny firenena. Tena ilaina raha ny hevitry ny “vondron’ny firaisamonim-pirenena sy ny olom-pirenena” ny fanatanterahana fifidianana mba hiverenana amin’ny ara-dalàna saingy tsy tokony hohadinoina fa ny tena tanjona dia ny famerenana an’i Madagasikara ao anatin’ny valan’ny fanjakana tsara tantana, ny demokrasia, ny fivoarana sy ny fampandrosoana ary ny fiainana ara-tsosialy milamina sy ara-drariny. Fantatra fa mbola hisy ny fivoriamben’ny firaisamonim-pirenena ka anisan’izany ireo sendika maro samihafa, mba handinihana ny fomba hanohanana ny hetsiky ny FFKM sy ny tena hahatanterahan’izany marina.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.