Politique

Firaisamonim-pirenena Ataovy mazava ny lalàm-pifidianana


  • Zoma 17 Novambra 2017

Zava-dehibe ny firosoana amin’ny fifidianana saingy tsy zavatra hatatao fahatany ohatr’izao fa tsy maintsy mitaky zavatra betsaka, ary hajaina ny lalàmpanorenana, hoy ny Firaisamonim-pirenena tamin’ny alalan-dRandriamihavana.

 Nisy ny fanambarana niombonana tamin’ny SEFAFI (Sehatra Fanarahaha-maso ny Fiainam-pirenana) momba izany noho ny fahatsapana fa sarotiny amin’ny fanajana ny lalàmpanorenenana . Tokony efa mipetraka ny lalàm-pifidianana mba hahafahan’ny mpisehatra rehetra na mpandray anjara hiombona tanteraka, fa ny zavatra tapotapohina sy zavatra tsy mandeha amin’ny tokony ho izy, ny fiheveranay firaisamonim-pirenena dia misy kolikoly ao anatin’izay ary misy zavatra tsy mandeha araka ny tokony ho izy, arak any fanambarany. Izahay dia mangataka ny fanajana ny lalàmpanorenana satria mazava tsara fa 60 andro mialohan’ny fifidianana dia tokony hametra-pialana ny filoham-pirenena, ka izay fametraham-pialana izay dia efa mipetraka ny lalàm-pifidianana mazava hahafahan’ny mpiantsehatra rehetra hitovy zo amin’ny fifidianana izay atao, ary hitakiana ny volavolan-dalàna. Raha  jerena ny zavatra nisy teo tamin’ny lalàm-pifidianana teo aloha, izay nahitana fanovana dia niteraka fatiantoka be dia be sy korontana. Betsaka ny nanao fitarainana, ka ilana ny famoahana ny volavolan-dalàna mialohan’ny fotoana ary tsy atao mihafinafina. Mila zavatra mangarahara araka izany fa tsy ilaina ny ankinafinafina. Zavatra fahita eto amintsika rahateo ny mody fakan-kevitra, saingy efa mandeha any ambadimbadika any ny fikononkonona samirery, ka arakarakaraka ny tombotsoan’ny manokan’ny mpitondra no zavatra soratana, fa tsy izay nifanarahana. Efa nisy izany tamin’ny zavatra maro, raha tsy hilaza afatsy ny lalàna ny mifehy ny fifandraisana, izay hafa no nifanarahana ary hafa ny navoaka ho lalàna, ka tsy atao mahagaga raha mipetraka ny ahiahy isan-karazany amin’izao fotoana izao.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT