Politique

Firafitry ny governemanta Beriziky 50% - 50% no fantatry ny Troika


  • Alarobia 16 Novambra 2011

Adim-pamantaranandro sisa dia higadona ny datin’ny 17 novambra 2011, ambara ombieny fa fe-potoana farany tokony hitsanganan’ny governemantan’ny firaisam-pirenena tarihin’ny praiminisitra Jean Omer Beriziky. Izay rahateo no voarakitry ny lasitra fampiharana ny tondrozotra.

 Toy ny tamin’ny nanendrena ny praiminisitra dia ho eo ambany fanaraha-mason’ny Troika ny fanatanterahana izany, ary dia hatrehin’izy ireo koa ny fanendrena ireo minisitra handrafitra izany governemanta izany. Nandrasana omaly moa ny fahatongavan’ny minisitra Marius Fransman, mitarika ny iraky ny Troika amin’ny fandaminana ny krizy eto, saingy tsy tonga izy. Mety misy ifandraisany amin’ny zava-misy eto an-toerana ny antony, nefa koa raha asa vitan’ny ambasadaoron’i Afrika Atsimo, Monaisa Mokgheti, izay mitarika vonjimaika ny biraon’ny SADC eto ihany moa, tsy voatery ilana an’i Marius Fransman ho avy eto izany.

Sahiran-tsaina. Hatry ny omaly dia fantatra fa sahiran-tsaina ny filohan’ny tetezamita sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy manoloana ny fisehon-javatra sy ny tsindry, avy ao anatiny sy avy ivelany, manodidina ity fananganana governemanta ity. Miaka-midina eny an-dapa koa ny praiminisitra, izay raha ny re aloha hatreto dia mitana ny teniny, fa ny tondrozotra no hany mibaiko azy ary tsy azo avilivily amin’izay ny tenany. Mety ho vokatr’izay fahaterem-potoana izay angamba, no tsy mbola nandraisan’ny praiminisitra, mba hohenoina, ireo kandida minisitra naroson’ny mpanohitra. Na izany aza dia efa milamina ny saina ho an’ny mpanohitra. “Kandida mahafeno fepetra sady be traikefa no natolotray”, hoy ny fanazavan’ny mpitarika iray avy amin’ny Ankolafy telo tratr’antso omaly, ka “tsy olana na hohenoina mialoha na tsia, fa dia miandry fotsiny ny fanendrena azy ireo amin’ny ministera efa nofaritana hotantanan’izy ireo izahay”. Ny mpanohitra izay manamafy ny tsy maintsy hisian’ny fifandanjam-pahefana, ka hisasahana ny ministera eo anivon’ny governemanta Beriziky. Misy moa ny loharanom-baovao milaza sy manamafy fa dia “50% - 50% ihany no fantatry ny Troika”, ka an’ny mpanohitra ny antsasaky ny ministera ary ifampizaran’ireo mpomba an’i Andry Rajoelina ny antsasany. Tsy resy lahatra amin’izany anefa ny filohan’ny FAT sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy, ary izay no isan’ny mampihisatra ny fananganana ny governemanta io. Ao mihitsy aza ireo romotra ka manao izay hampitsefotra io fananganana ny governemantan’ny firaisam-pirenena io. Nisy mihitsy fivoriana teny amin’ny hotely lehibe iray eny Antaninarenina eny ny alatsinainy lasa iny, notarihina tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny FAT, namolavolana ny paikady, indrindra ara-tserasera, mba tsy hahatanteraka ny fananganana governemanta io hatramin’ny rahampitso.

Misy amin’ireo minisitra tao anaty governemanta Vital farany teo koa tafiditra anatin’io paipaika maloto io, mba hanara-dia an’i Mangalaza, tsy nahatsangana ny governemantany, i Beriziky ; na mahatafatsangana fa tafaverina ao anaty governemanta ireo minisitra te hibodo toerana ireo. Tsy hipetra-potsiny amin’izany anefa ny Troika, izay manara-maso akaiky ny fandehan’ny raharaha. Ny mpanohitra koa efa nandrangaranga omaly, fa dia manosika azy ireo hiala raha tsy misy ny fisian’ny fifandanjam-pahefana eo anivon’ny governemantan’ny tetezamita, raha ny nambaran’i Mamy Rakotoarivelo, avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana. Mizizo amin’ny tsy maintsy hanomezana an’i Andry Rajoelina ireo ministeran’ny fiandrianam-pirenena, izay miisa dimy, koa ny UDR-C sy ny TGV, fa hoe fahefan-dRajoelina manokana amin’ny maha filoham-panjakana azy ny manendry olona ho amin’ireo ministera ireo, indrindra ny vola, fitsarana ary ny fiarovana. Ny mpanohitra anefa dia manipika mazava fa firenena anatin’ny krizy i Madagasikara izao. Ny hivoahana amin’izany krizy ka hiverenana amin’ny rafitra araka ny lalampanorenana no tanjona.

Midika mazava io fa tsy mbola misy lalàmpanorenana eto fa sori-dalana no resaka ary tsy nisy latsa-bato nataon’ny Vahoaka nifidianana an’i Andry Rajoelina ka hahafahan’ireo mpomba azy milaza fa manana fahefana hanendry samirery ny minisitra amin’ireo ministeran’ny fiandrianam-pirenena izy, fa ifampizarana io. Araka izany dia sarotra ny fandidiana, manao sivana mafy dia mafy rahateo koa ny ao Ambohitsorohitra. Hanao ahoana àry ny hoavin’ity governemanta Beriziky ity, ho teraka ihany fa ho saro-piterahana sa ho maty ankaranany indray koa ?

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT