Nanao fanambarana mikasika ny fahavononany hatrany hanohana ny tondrozotra ireo parlemantera antoko TIM Raharinaivo, tsy tafaverina tamin’ny toerany intsony.
Izay hizorana amin’ny fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra sy ankatoavin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena no tanjona, hoy izy ireo. Noho izany dia nanainga ny filohan’ny tetezamita izy ireto amin’ny fanohizany ny fametrahana ireo rafitra ambiny toy ny CENI sy izay takian’ny tondrozotra.
Miezaka ny manarona lamba ny hadalan’ny ekipany ireo CT sy CST teo aloha voan’ny tsipaka ambavafo tamin-dRaharinaivo ireto. Saika ireo olom-boafidy tamin’ny fitondran’ny filoha Marc Ravalomanana avokoa anefa izy ireo. Teo no nampisalasala ny maro, satria dia ireo olona tsy dia niara-nihosona sy nisarangotra hatramin’izay no voatendry handray ny toerana. Na inona na inona kosa endrika sy fanehoana firaisankina ataon’ireto olom-boafidy taloha ireto, dia efa mibaribary ary malaza amin’ny tontolo politika tanteraka ankehitriny ny kajikajy politikan’ity elatra nisintaka tamin’ny ankolafy Ravalomanana ity. Taratra ihany koa izany tamin’ilay fanambarana nialan-dRaharinaivo Andrianatoandro tsy hofidiana ho filohan’ny CT afak’omaly, ary mbola mikasa ny hametra-pialana rehefa vita ny fifidianana. Nikasa ny hampitamby ny mpanao politika angaha, saingy toa tsy misy miraharaha izany fanapahan-keviny izany akory satria samy somebika ny rehetra.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.