Politique

Fiombonamben’ny Sakalava eto Madagasikara Mitaky praiminisitra vaovao mahavita azy


  • Talata 16 Febroary 2016

Mitaky praiminisitra vaovao mahavita azy ny fiombonamben’ny fikambanana Sakalava eto Madagasikara tarihin’ny filoha nasionaliny Manjary Fidéle.

 

Resy  lahatra izy ireo fa mandalo fotoan-tsarotra tokoa ny fiainam-bahoaka ankehitriny toy ny tsy fandriampahalemana izay hitrangana vono olona isan’andro, ny fanimbana ny tontolo iainana, ny faharatsian’ny lalana isam-paritra, ny fahantrana omban’ny tsy fisian’asa… Mitaky olona mahavita azy afaka mahavaha ireo olana ireo ny fikambanana. Tsy nanolotra anaran’olona izy  ireo fa namariparitra izay tokony ho toetra takiany amin’io praiminisitra vaovao io sy ny traikefany kosa. Anisan’izany ny hoe :  mba hanompo vahoaka fa tsy hotompoin’ny vahoaka,  hampandroso ny firenena ary tsy mbola hita taratra teo amin’ny sehatra politika, manana traikefa amin’ny fiarovana sy ny fanondrotana ny orinasa Malagasy, mikendry hatrany ny hampivoatra ny tantsaha sy ny vahoaka Malagasy manontolo, mahay mitantana ary mankasitraka ny fitsinjarana ara-drariny ny fiharian-karena isam-paritra, mahay mifandray amin’ny mpanao politika, ny mpandraharaha ary farany izay tsy kely akory dia hiaro sy hikajy ny tontolo iainana. Nitafa tamin’ny mpanao gazety izy ireo omaly.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT