Nazava ny hafatra nampitain’ireo mpitondra fivavahana 4 mirahalahy nitarika ny fanompoam-pivavahana niraisam-pinoana natao teny amin’ny TIKO Tanjombato omaly talata 26 janoary 2016 ka natrehan’ny fianakaviana Ravalomanana sy ireo mpiara-miasa ary mpiara-dia aminy
. Voalaza mazava moa fa fanompoam-pivavahana hifampaherezana amin’ny finoana sy fanantenana no natao ka nivoizana indrindra ny teny notsongaina avy amin’ny bokin’Isaia 40,31 manao hoe : « Fa izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery kosa : Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery ; Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra ; Handeha izy, nefa tsy ho reraka ». Ny tenin’Andriamanitra izay toriana, hoy ny feo heno teny Tanjombato dia mahatonga ny finoana ary mampisy ny fanantenana. Fotoana fandinihan-tena izao 2016 izao fa 7 taona lasa tahaka izao dia niaina tao anaty fahakiviana isika noho ny zava-nisy tamin’izany nefa ankehitriny dia sary hafa no miseho noho ny herin’Andriamanitra fa hanangana ny rava Izy ary hamelona ny maty. Fiainana ao amin’i Kristy no hivoriana eto ary hamelomana ny fanantenana ao anaty fa : “tsy fomban’ny kristianina no mitanondrin-dava”. Ireo vehivavy nijery voalohany ny fasan’i Kristy raha tsy niandrandra nijery ambony tsy nahita ny varavaram-bato hidim-pasana efa nikodia fa mbola variana hijery Azy ao anaty rangolahy ao foana. “Tena faly aho, hoy ny filohan’ny TIM Marc Ravalomanana tamin’ny fampaherezana nentin’ireo mpitondra fivavahana fa mamelona ny finoana efa nananantsika ny nataon’izy ireo”. “Tena mifanandrify amin’ny fandaharana voalazan’ny fiangonana mihitsy ny zava-boalaza androany teto”, hoy ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.