Politique

FIM Andiany faha-11 Tonga ny mpandraharaha avy any Dubai


  • Zoma 20 Mey 2016

Raikitra indray ny foara iraisam-pirenena ho an’i Madagasikara andiany faha-11. Tanterahina eny amin’ny Parc des expositions Forello Tanjombato nanomboka omaly izy io, hetsika izay karakarain’ny agence de la première ligne tarihin-dRamiaramanana Dominique.

 

Tanjona amin’ny foara ny  hanampiana ireo mpandraharaha ara-toekarena malagasy  mba hahafahan’izy ireo mifandray mivantana amin’ireo mpandraharaha ara-toekarena any ivelany. Anisan’ireny ireo avy any Dubai izay manana tranoheva ao an-toerana raha ireo mpandraharaha avy atsy amin’ny nosy rahavavy Maurice tamin’ny taon-dasa. Natao hanampiana ny olona hahafantatra ireo karazan’entana amin’ny marika tena izy ihany koa ny foara mba tsy hampidi-doza, indrindra ireo kojakojan-tokantrano toy ny tariby mpitondra herinaratra. Tsy latsa-danja amin’ireo ny fampahafantarana ireo karazam-bokatra sy entana tena vita Malagasy amin’ny vidiny zakan’ny fahefa-mividin’ny rehetra arahin’ny fampirantiana hataon’ireo  orinasa Malagasy. Haharitra efatra andro ny hetsika. Tonga nanokatra sy nanome voninahitra ny lanonana ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Mahafaly solonandrasana Olivier, notronin’ireo minisitra maro samihafa eo anivon’ny governemanta ary ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, Lalao Ravalomanana.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT