Politique

Filohan’ny CENI Manara-maso ny fifidianana any Sénégal


  • Sabotsy 23 Febroary 2019

Iray amin’ireo mpanara-maso ny fifidianana any Sénégal ny Filohan’ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana eto amintsika (CENI)

Atoa Hery Rakotomanana handray anjara amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana hatao any an-toerana ny 24 febroary. Manomboka ny 21-25 febroary ny iraka ataony any ivelany. Ao anatin’ny RECEF (Réseau des Compétences Electorales Francophones) mifantoka amin’ny resaka tambajotra ifampizarana traikefa amin’ny fifidianana ho an’ny tany mampiasa manontolo na ampahany ny teny Frantsay io. Ambaran’ny eo anivon’ny CENI araka izany fa tanjona ny ifanakalozana ny fahamendrehana ara-pifidianana amin’ny manampahaizana sy tompon’andraikitra mikarakara fifidianana Sénégalais, miampy ny fanaraha-maso ny andiany faha-11 amin’ny fifidianana filoha any an-toerana hatramin’ny nahazoany ny fahaleovantenany. Ankoatra ity filohan’ny CENI Malagasy ity, dia ao anatin’ny iraky ny RECEF ny Tale jeneralin’ny fifidianana any Mali Siaka Sangharé, Filohan’ny CENI an’i Guinée Me Amadou Salif Kebe, filohan’ny  CENI an’i Burkina Faso Newton Ahmed Barry,  filohan’ny CENI avy any Centre Afrique, ary ary ireo tompon’andraikitra ambony amin’ny fitantanana ankapobeny ny fifidianana any Québec-Canada. Asa aloha na hanatsara ny fifidianana tanterahina aty Madagasikara ny fakana traikefa amin’ny iraka tahaka izao fa ny tsy azo lavina dia andrim-panjakana tsy atokisan’ny maro ny CENI eto Madagasikara. Vao tsy ela akory fa tamin’ity herinandro ity no nisy ilay fanambaran’ny filoha lefitry ny CENI Atoa Thierry Rakotonarivo sokajian’ny mpitazana ho toa niaro sy miandany amin’ny fanjakana Rajoelina tamin’ny alalan’ny filazana fa tsy mila fikitihana lalàmpanorenana ny fanovan’ny filoha ny lehiben’ny faritra ho governoran’ny faritra sy ny fampitomboana ny faritra ho 23.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT