Feno ny fandaharam-potoan’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na ny CENI amin’ity herinandro ity, hikatsahana hatrany ny fomba rehetra hahatomombana ny fikarakarana ny fifidianana. Anisan’ny hivoitra ny fihaonan’ny filohan’ny CENI Hery Rakotomanana mivantana amin’ireo lehiben’ny antoko politika sy ireo mpanao politika mandritra ny 3
andro misesy hanomboka anio 16 janoary tolakandro amin’ny 3 ora eny amin’ny foiben-toeran’ny CENI eny Alarobia. Hitohy rahampitso 17 janoary 2018 amin’ny 3 ora tolakandro izany ka eny amin’ny Biraon’ny CENI Nanisana (Enceinte MCRI ) indray ny fihaonana. Hamaranana azy ny alakamisy 18 janoary 2018 amin’ny 10 ora maraina eny amin’ny Biraon’ny CENI Nanisana hatrany. Hifanindran-dalana amin’izay fihaonana mpanao politika amin’izay, dia hifanindran-dàlana amin’izany ihany koa ny fanaovan-tsonia ny fiaraha-miasan’ny CENI sy ny fiarahamonimpirenena ROHY, hanatevenana ny fanabeazana sy ny fanentanana ny olompirenena momba ny fifidianana. Ny Alarobia 17 janoary 2018 amin’ny 10 ora maraina ao amin’ny Biraon’ny CENI Nanisana no hanatanterahana azy io. Inoana fa hivoaka ny ahiahin’ny mpanao politika momba ny fifidianana sy mety ho fanamafisan’ny CENI ny hisian’ny fifidianana mangarahara sy azo antoka. Mampiseho ezaka ity vaomiera ity, saingy ho afa-bela eo anatrehan’ny kajy maloto tadiavina hokotrehina amin’ny fifidianana ve ? Raha ny resaka fifidianana mantsy dia mbola eo ihany koa ny minisiteran’ny atitany. Tsara hatrany ny mampahatsiahy, fa ny 31 janoary izao ny farafanamarinana anarana sy fisoratana anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana. Rehefa tsy tafiditra hatramin’io fe-potoana farany io, dia tsy afaka ny hifidy amin’ny fifidianana rehetra fa ho mpitazana fotsiny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.