Dinik’asa miompana tamin’ireo olana misy sy sedrain’ireo vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana manoloana ny fanatanterahana ny asany no notontosain’ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rakotomanana Honoré
sy ireo Loholona mpiara-dia taminy tamin’ ireo ben’ny tanàna ary ireo mpanolotsain’ny Kaominina ao anatin’ny Faritr’i Sambirano Distrikan’Ambanja ny 27 septambra 2017 lasa teo. Kaominina 24 moa no mandrafitra ny Distrikan’Ambanja. Maro ireo sakana ho amin ‘ny fampandrosoana ireo Kaominina sy Fokontany ireo ao anatin’ny Faritra Sambirano ity, raha ny fanazavana, ka io no votoatin’ny dinik’asa nifanaovan’ireo mpikambana eo anivon’ny Antenimierandoholona notarihin’ny Filohany RAKOTOMANANA Honoré sy ny Filoha lefitra AMIDO ary ireo Loholona avy amin’iny Faritra iny mbamin’ireo Ben’ny tanàna miaraka amin’ny mpanolotsaina Kaominaly. Ny mbola tsy fahazoana ny famatsiana ny taona 2015 sy ny 2016 izay sakana amin’ny fampandehanana ny asa , ny rafitra mifehy ny Fokontany ankehitriny , ny fiarahany miasa amin’ny kaominina manodidina azy ary ny fiaraha-miasan’ireo olom-boafidy amin’ireo antsoina hoe “Services deconcentrés”, ny tsy fandriampahalemana, ny fanondranana omby antsokosoko, ny fidinan’ny vidim-bokatra « Cacao » ary ny faharatsian’ny fotodrafitr’asa momba ny fampandrosoana any an-toerana. Ho tohin’ny dinik’asa efa natao tany amin’ny distrikan’Ambatolampy fotoana fohy lasa izay dia ezaka hataon’ny Antenimierandoholona ny hitsidika ifotony any anivon’ireo Kaominina izay nampanatenain’ny filohan’ny Antenimierandoholona. Notohizana tany Ambanja ity fihaonana mivantana amin’ireo tompon’andraikitra rehetra eny anivon’ny Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ity. Hitohy manerana ny nosy moa izao hetsika izao, raha ny fanazavana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.