Mpizaika manodidina ny 200 mahery any anio no hifidy izay ho filoha hitantana ny vondron’ny mpanohitra elatra Lalatiana Ravololomanana sy ny mpiara-dia aminy mivory etsy Andrefan’Ambohijanahary.
5 moa ireo kandidà nisoratra anarana omaly maraina dia Atoa isany Alain Ramaroson, Max Fabien Andrianirina, Alain Andriamiseza, Rasambozafy Cyrille ary i Samihary Floriot, miampy izay mbola ho tapakevitra amin’ny ora farany anio. Efa nanandrana nampiady tadin-dokanga ihany izy ireo omaly antoandro teny Andrefan’Ambohijanahary teny ka niatrika fivoriana kely nihiboka saingy tsy nahatapaka n’inona n’inona fa samy milaza azy ho manana olona avy ka dia tsy maintsy hiroso amin’ny fifidianana, latsabato miafina, amin’ity marainan’ny sabotsy 21 jona ity izany. Anio hariva miaraka amin’ny famoahana ny fehin-kevitra no hamoahana ofisialy ny anaran’io filohan’ny mpanohitra io ary azo antoka fa tsy maintsy izy no hanao ny lahateny famaranan’ity fihaonambe ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.