Maty nisy namono ny sabotsy hariva teo i Berakely, mpilalao rugby ao amin’ny FITA II mpiambina ny filohan’ny fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina
. Mbola niresaka izy roalahy talohan’io trangan-javatra io, araka ny fanazavan’ity farany tamin’ny mpanao gazety omaly. Tsy nankasitraka velively ny fanenjehana sy ny fanaovana tsinontsinona ny fikambanana HAFARI Malagasy i Tompokolahy. Nisy nikapoka ny lohany, raha ny fantatra. Ankoatra io dia mpiambina azy iray antsoina hoe : Ratiana, mpilalao rugby ao amin’ny FTN Nanouwah ihany koa no nisy namono ny herinandro teo ary mbola mitsabo tena any amin’ny hopitaly hatramin’izao. Somary mahalasa saina ihany, hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina ny fisian’izao trangan-javatra hafahafa izao izay hiantsoany mafy ny mpitondra fanjakana mba handray andraikitra, indrindra manoloana ny asa fampihorohoroana maro isan-karazany. Ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana, hoy hatrany izy no hamaritra ny raharaha izay tsy handeferan’izy ireo na iza na iza no ao ambadik’izao vono olona namoizana aina izao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.