Tsy dia nifanotofana tahaka ny seza rehetra nifampizarana tato anatin’ny fitondrana tetezamita ny toeran’ny filohan’ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy na ny FFM.
Tsy mihoatra ny dimy ny antontan-taratasy voaray hatramin’ny faran’ny herinandro teo, raha araka ny fantatra. Asa na ny fepetra napetraka no henjana loatra, na ny hitarika ilay resaka fampihavanam-pirenena mihitsy no manahirana. Ny azo antoka aloha dia tsy ny profesora Zafy Albert no hitarika ny FFM satria tsy mahafeno ny fepetra izy noho ny maha lehibena ankolafy politika azy, izy rahateo tsy dia tsara fifandraisana amin’ny ankolafy Rajoelina ary manelingelina olona maro noho ireo ampamoaka nataony. Mety avokoa moa na mpikambana ao amin’ny FFM na olona avy aty ivelany no mirotsaka ho kandida hitarika ity rafitra ity, tahaka ny natao tamin’ny CENI-T ihany. Azo heverina fa anisan’ireo andrim-panjakana manana asa aman’andraikitra tena goavana ny FFM, ary mety hitohy maharitra izany fa tsy hoe ho vita vetivety ao anatin’ny herintaona.
Raha ny vinavinan’ny mpanara-baovao dia hitatra hatrany amin’ny Repoblika faha-4 mihitsy ity resaka fampihavanam-pirenena ity fa tsy hoe vita miaraka amin’ny tetezamita tsy akory. Olona heverina fa manana fahendrena, tsy misy raorao amin’ny fiarahamonina, mahafantatra tsara ny Malagasy sy i Madagasikara no tokony hitantana ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy. Ho an’ny olona sasany dia tsy voatery hoe manampahaizana no mitarika ny FFM, fa rehefa olona manana fahendrena ary tena tia tanindrazana sy vonona ny hamaha ny krizy tokoa dia efa mety. Maro ny malagasy mahafeno ireo fepetra napetraka, saingy nahagaga fa vitsy aloha hatreto no nanatitra ny antontan-taratasiny. Ho hita eo ny anio, satria hatramin’ny dimy ora no farafandraisana ny dosien’ireo kandida. Tokony hitsangana mialoha ny faran’ity volana ity ny biraon’ny FFM mba hirosoana amin’ny asa be miandry azy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.