Politique

Filohan’ny FAT Ho tonga rahampitso alina


  • Talata 27 Septambra 2011

Araka ny loharanom-baovao dia rahampitso alina no higadona eto an-tanindrazana ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina. Taorian’ny fankanesany tany New York nanatrika ny fivoriana faha-66 ny Firenena Mikambana dia mbola tany Eoropa ny delagasiona noatarihiny.

 Hatreto aloha dia tsy mbola misy ny resaka ofisialy ny amin’ny fanampiana an’i Madagasikara avy amin’ny firenena tandrefana. Manantena ny maro fa hisy vokany eo amin’ireo mpitondra ny tenin’ny Sekretera jeneralin’ny firenena mikambana Ban Ki-Moon ny amin’ny tokony hampiharana an-tsakany sy an-davany ny tondrozotra voasonia teny Ivato farany teo ka hitondra filaminana sy fitoniana ho an’ny Malagasy rehetra amin’izay. Izany rehetra izany dia miankina betsaka amin’ny filohan’ny FAT. Raha hilamina ny firenena dia noho izy ary raha hikorontana ary hitohy ny krizy ka ho betsaka ny ho faty dia tsy afa-miala ihany koa ny tenany. Samy hotsarain’ny tantara, araka izany.

 

Mohamed

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT