Politique

Filohan’ny CST sy CT Mety ho Lahiniriko sy Rakotoarivelo


  • Alatsinainy 05 Desambra 2011

Anarana miverimberina nanomboka ny faran’ny herinandro teo ny an’i Lahiniriko Jean sy i Mamy Rakotoarivelo izay tombanan’ny maro fa mety hofidiana ho filohan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita sy filohan’ny Kongresin’ny tetezamita.

 Hotanterahina rahampitso talata sy alarobia, tsiahivina ihany, ny fivoriana hifidianana ny birao maharitra amin’ireo andrim-panjakana roa mpanao lalàna anatin’izao tetezamita izao, na hanolotra ny olony hotendrena amin’ireo toerana ireo na tsia ny ankolafy Zafy Albert, izay nanao sonia ny tondrozotra saingy tsy mbola nandefa lisitry ny olony hotendrena mpikambana ao amin’ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, izay ananany anjara toerana 52 sy 25. Mpikambana mamerin-taona ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita i Lahiniriko Jean. Filoha nasionalin’ny antoko PSDUM izy ary anisan’ny mpandrafitra ny UDR-C. Raha ara-matematika dia sarotra ho azy ny ho tafita mora amin’izany toerana izany, satria vitsy an’isa ny UDR-C ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, tsy manana olona afa-tsy 25 amin’ny 164 efa voatendry hatramin’izao. Amin’ny alalan’ny fifampiraharahana izany, mazava ho azy, no hahatafita an’i Lahiniriko handimby toerana ny jeneraly Rasolosoa Dolin, ity farany izay tsy maintsy handao ny sezany noho izy olon’ny filohan’ny FAT ary koa miaramila.

Tsy hipetra-potsiny rahateo ny Les AS sy ny Escopol sy ny hafa, fa tsy maintsy hilaza ho mpanelanelana (?). Tsy hisy valaka amin’izay ny hitranga eny Tsimbazaza. Atoa Raharinaivo Andrianatoandro aloha dia efa kaontin’ny mandao ny toerana maha filoha azy. Efa ankisisika tany amin’ny TGV sy UDR-C rahateo izy sy ny olony vao tafaverina an-dapa. Raha vao nanaiky hiditra ao anaty Parlemanta mantsy ny ankolafy Ravalomanana dia tany amin’i Mamy Rakotoarivelo no nalehan’ny sainy maro. Izy no tombanana fa ho filohan’ny Kongresy eo, toerana izay efa nanendrena azy araka ny voarakitra tamin’ny fifanarahana tovana nandritra ny fihaonana tany Addis Abeba tamin’ny novambra 2009, fifanarahana izay nankatoavin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Mandalo fifidianana anefa amin’ity indray mitoraka ity vao tonga filohan’ny Kongresin’ny tetezamita fa tsy vitan’ny fifanarahana politika toy ny natao tamin’ny nametrahana ny filohan’ny FAT.

Tsy ho vita mora amin’izao ny azy, satria vitsy an’isa ao Tsimbazaza ny ankolafy Ravalomanana, toerana 57 amin’ny 365 misy hatreto no azy. Mila fifanatonana sy fifandresen-dahatra izany ny amin’io vao azo eritreretina ho tanteraka. Na izany aza dia lojika ny hahazoan’ny ankolafy Ravalomanana io toeran’ny filohan’ny Kongresy io raha mbola hijanona ao anatiny ihany, fa tsy hisintaka araka ny feo mandeha ny faran’ny herinandro teo koa. Efa lasan’ny TGV ny toeran’ny filohan’ny tetezamita, avy amin’ny ankolafy Zafy ny praiminisitra, dia tokony ho an’ny ankolafy Ravalomanana ny toeran’ny filohan’ny Kongresy raha mbola halain’ny vondrona mpanohana an’i Andry Rajoelina ny filohan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, eo anatrehan’ny tsy mbola fandraisan’anjaran’ny ankolafy Ratsiraka.

Tsy hipetra-potsiny anefa ny Escopol izay manana olona 62 be izao ao amin’ny Kongresy, ny TGV sy UDR-C izay samy manana olona 52 avy, ankoatra ny Arema, MDM, Les AS, Monima/UAMAD izay samy manana toerana 20 avy, miampy ny an’ireo Olobe (Notable) miisa 22. Tsy maintsy handeha izany ny fifampiraharahana. Hosandaina vola io, sa toerana, sa vitan-dresaka ? Rahampiso talata sy amin’ny alarobia isika mahita izy ! Re mantsy fa efa nisy fifanatonana tamin’iny faran’ny herinandro iny, izay mety mbola hitohy amin’ity anio, satria mbola eo ny toeran’ireo filoha lefitra sy filoham-baomiera samihafa ao amin’ny Kongresy sy ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT