Politique

Filohan’ny Antenimierandoholona Voatsipaka tamin’ny ora farany i Kolo Roger


  • Alakamisy 11 Febroary 2016

Manomboka mivoaka ny nafenina. Iray andro monja taorian’ny nifidianana ny Birao maharitry ny Antenimierandoholona dia mivaha ny lelan’ireo mpikambana ao amin’ny antokon’ny fitondrana HVM (Hery Vaovao ho an’i Madagasikara)

 

 fa tsy nanantena an’i Honoré Rakotomanana ho filohan’ity andrimpanjakana mpanao lalàna ity izy ireo. Ny praiminisitra teo aloha Kolo Roger no nifanarahana fa ho filoha, hoy hatrany ireo HVM nentin-kasosorana ireo. Lohalisitry ny HVM tao amin’ny faritanin’i Toliara i Kolo Roger ary anisan’ny fototry ny nahatongavan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina eo amin’ny fitondrana rehefa nailiky ny CES II tsy ho  kandida filoham-pirenena tamin’ny 2013 izy sy Dr Jules Etienne, ka rariny raha izy no filohan’ny Antenimierandoholona. Araka ireto HVM ireto hatrany dia efa nampiomanina haka birao tao Anosikely ireo mpiara-miasa akaiky amin’i Kolo Roger. Efa 15 minitra talohan’ny nanombohan’ny fotoam-pivoriana manokan’ny Antenimierandoholona vao nampilazana i Kolo Roger fa hatao filoha lefitra indray, fa ny zokiolona sady profesora Honoré Rakotomanana no hatao filohan’ny Antenimierandoholona. Mbola baraingo amin’ireo mpikambana HVM hatramin’izao ny ao ambadik’io fiovana tamin’ny ora farany io. Nisy nandraiky nanavy mihitsy aza ny mpikambana sasany noho io fitsimbadiky ny fanapahan-kevitra io. Fanitsiana ny fitsipika anatiny ihany koa no nandrasan’ny rehetra taorian’ny fandaniana ny filoha, saingy nitohy tamin’ny fifidianana ireo mpikamban’ny birao maharitra araka ny fitsipika anatin’ny Antenimierandoholona tamin’ny 2008 ny raharaha. Anio vao haroso hodinihina sy holaniana amin’ny fivoriana itambaram-be sy azon’ny besinimaro atrehina ny fitsipika nasiam-panovana. Ny re siosio, dia hitarina ny isan’ny mpikambana ao amin’ny Birao maharitra ka hasiana filoha lefitra iray isaky ny Faritany, hampiana koa ny kestora.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT