Politique

Filohan’ny Antenimierandoholona Nandray vahiny roa sosona indray


  • Alakamisy 21 Jolay 2016

Nitsidika ara-pomba fanajana ny Filohan’ny Antenimierandoholona, Honoré Rakotomanana, ny Masoivohon’ny Repoblika Islamikan’ny Iran miasa sy monina eto Madagasikara, Manori Nik Mohammed, ny 19 jolay 2016.

 35 taona no efa nifandray ara-diplomatika i Madagasikara sy ny Firenena Iraniana, izay anisan’ireo Firenena iray mandroso sy milamina ary manaja ny zon’ny vehivavy sy manome lanja ny fianakaviana. Na dia teo aza ireo ankivy nihatra taminy dia vonona hifanakalo traikefa amin’ny firenena malagasy eo amin’ny lafiny ara-toekarena, fanapariaham-pahefana ary fanabeazana, isan’izany ny fandefasana tanora handranto fianarana any aminy. Ny filohan’ny Antenimierandoholona dia nanamafy ny hisian’ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta, indrindra eo amin’ny fanapariaham-pahefana izay andraikitry ny Antenimierandoholona amin’ny fiahiana ny vondrombahoaka itsinjarampahefana.

Mbola fisidihana ara-pomba fifanajana no nataon’ireo biraon’ny fiangonana FJKM Mandrosoa Ilafy, notarihin’i Pastora Andrianarivo Ny Dafy Antonio Marc sy ireo mpiara-miasa aminy, an’ity Filohan’ ny Antenimierandoholona ity tamin’io andro io ka ny andraikitry ny mpino kristianina manoloana ny zava-misy sy ny fampandrosoana ny firenena no nivoitra tamin’ny fihaonan’ny roa tonta. Amin’ny maha Raiamandrenin’ny  Firenena ny Filohan’ny Antenimierandoholona, dia nitrotro am-bavavaka ny mpitarika ity Andrimpanjakana ity sy ireo tompon’andraikitra rehetra eto amin’ny firenena ireto delegasiona  avy amin’ny Fiangonana  FJKM Mandrosoa Ilafy ireto mba hisy fiantraikany amin’ny  fampandroasoana ny firenana ireo amin’ny ireo asa vita sy natao.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT