Politique

Filohan’ny ankolafy Ravalomanana Toliara Resaka dramotse avao ‘ty atao ame Tojo Ravalomanana


  • Alatsinainy 20 Febroary 2012


 Vande avao ny safa na filazan’ny DST fa ny fahatongavan’i Tojo Ravalomanana tao Andranomanelatra no nahatonga ny firohotan’ny tsy fandriampahalemana any an-toerana. Resaka dramotse (tondro molotra) avao tiana atao amin’i Tojo Ravalomanana izany, hoy izy, fa izaho Sazalahy Tsianihy filohan’ny ankolafy Ravalomanana any amin’ny Faritanin’i Toliara izay mivezivezy tsy tapaka amin’iny lalàm-pirenena faha-7 iny dia efa ho 3 taona katroka izao, hatramin’ny niantombohan’ity krizy izy tamin’ny 2009 no nahatsapa fa efa hatramin’izay no nisy izany tsy fandriampahalemana fanakanan-dalana indrindra indrindra tamin’iny ary nanerana an’i Madagasikara mihitsy aza. Izaho dia milaza, hoy izy, fa ny fahatahorana ny anarana Ravalomanana no hanasoketana an’i Tojo Ravalomanana. Ambarako hatrany, hoy ity CT avy any Atsimon’ny Nosy ity, fa mifanindran-dalana hatrany ny resaka “amnistie” sy ny fitoniana ara-politika sy fandriam-pahalemana ary ny fankatoavana iraisam-pirenena izay hiteraka fandrosoana isam-batan’olona, na eny ambanivohitra na ety an-tanàn-dehibe. Ny dikan’izany, hoy ihany ny mpitarika ny Tokobe telo, dia ny famotsoran-keloka faobe no mifandraika amin’ny iraisam-pirenena sady mahasoa ny vahoaka Malagasy manerana ny Nosy. Fitsarana tsy mahefa no nitsarana ny Filoha Ravalomanana, hoy izy, satria tamin’ny andron’ny fitondra-tokan’ny TGV no nanaovana izany fa tsy mbola tamin’izao andron’ny fiaraha-mitantana izao. Hajoroy, ho izy, ny fitsarana manokana hitsara ny raharaha 26 janoary 2009 sy ny 7 febroary 2009 ka antsoina hijoro vavolombelona amin’izany ny Praiministra Monja Roindefo sy ny Kolonely Charles ary ny Jeneraly Noely Rakotonandrasana ka ho hita eo izay malalay fonosana.
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT