Nandao an’i Madagasikara ny alatsinainy 30 oktobra mba hiatrika ny fivoriana faha 39 n’ny Unesco any Paris ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier ; tanterahana ny 31 oktobra ka hatramin’ny omaly 02 novambra io fivoriana io ary volazan’ny fampitam-baovaon’ny Primatiora eny Mahazoarivo fa misolotena ny filoham-pirenena ny praiminisitra
.Ny talata 31 oktobra anefa dia re fa lasa any ivelany ihany koa ny filoha Hery Rajaonarimampianina, tsy nisy ny fampitam-baovao ofisialy, re fotsiny fa nandalo kely tany Paris – Frantsa izy avy eo nihazo an’i Afrika Atsimo ka nihaona tamin’ny filoha Jacob Zuma ny alarobia 1 novambra.Midika izany fa samy tsy teto Madagasikara farafahakeliny tao anatin’ny 2 andro ireo lehiben’ny fahefana mpanatanteraka roa dia nyfiloham-pirenena sy ny praiminisitra lehiben’ny governemanta izany fa samy lasa tany ivelany ; tsy nisy filankevitry ny minisitra nanambara hoe iza no misolo toerana an’iza mandritra io fa dia samy lasa fotsiny izany.Iza izany no nitantana ny firenena tao anatin’io fotoana io ? Asa ka efa kajikajy vita mialoha na ahoana fa ny talata 31 oktobra no nilaza fa nitsahatra tamin’ny asany i Honoré Rakotomanana, raikitra ny fifidianana maimaika teny Anosikely ary dia lasa filohan’ny antenimierandoholona i Rivo Rakotovao.Ny zavatra tahaka izao no mahatonga ny olona mailo na tena tsy mahatoky mihitsy ny fitondrana HVM, be loatra ny kiafinafina, ny manjavozavo, tsy milaza ny tena marina ny mpitondra .Efa zatra manjaka tokana ka manamaivana ny hevitry ny hafa, hany ka io mipoitra etsy sy eroa io ny fanambarana amin’ny ahiahy momba ny lalàna hifehy ny fifidianana sy ilay paikady hanova lalampanorenana.Ny fampihavanam-pirenena moa toa lasa resabe malaza tsy hihinanana toa vilian-tsahona fotsiny , ny rafitra sy ny olona misy tsara fa ny asa atao no tsy fantatra hoe inona ary atomboka aiza.Izany no zava-misy herintaona mialoha ny fifidianana, tsy dia mitory fitoniana loatra a !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.