Politique

Filoham-pirenena Tonga nitsaitsaika indray


  • Alatsinainy 30 Mey 2016

Niverina an-tanindrazana tamin’ny sabotsy 28 mey alina tamin’ny 11 teo ny filoha Hery Rajaonarimampianina rehefa avy any Torkia ary nandalo tany Frantsa.

 

Tsy nanofa jet intsony izy ireo fa ny firamanidina Air France no nandehanany niaraka tamin’ny mpandeha tsotra. Tsy nandefa vaovao mihitsy anefa na ny RNM na ny TVM omaly. Tonga nitsaitsaika indray ? Ny nahagaga ireo mpandeha dia izy nitsangana niarahaba sy nifangaro tamin’ireo mpandeha tao anaty fiaramanidina. Ireo mpandeha vahiny dia nametra-panontaniana ny teo akaikiny noho ny tsy fahalalany ny filoha. Nisy moa ireo be vazivazy nilaza fa filoha teo aloha io fa tsy izy intsony. Ireo naka sary kosa dia norarany mba ho fahatsiarovana fotsiny ny sariny fa tsy havoaboaka. Raha ny fahitan’ireo mpandeha niaraka taminy tamin’io sabotsy io dia manambitamby sy maka ny fon’ny olona ny filoha.

Rabri

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT