Politique

Filoham-pirenena sady mamoaka hevitra no mitsara Jadona izany, hoy Ratsietison


  • Talata 05 Febroary 2019

Ohatry ny mihetsiketsika fotsiny ny fitondrana, hoy ny filohan’ny antoko politika FMI Malagasy, Jean Jacques Ratsietison, raha naneho ny heviny mikasika ny fahitany ny politika ankapoben’ny fitondrana.

 

 

 24 tapitrisa mahery ny Malagasy ka tokony izay hahazoany tombontsoa aloha no himasoana. Ny vahaolana eto dia ny fampiakarana ny sandam-bola. Izay no hanafaka amin’ny fahantrana, hoy hatrany ity mpanao politika sady mpahay toekarena ity. Rehefa misakafo ny Malagasy dia efa mampihena tsy fandriampahalemana. Rehefa midina ampahefatra io tsy mila drone sy angidimby akory, hoy izy. Asa an-tapitrisa no ilaina eto. Mikasika ny lalàna nolaniana teny amin’ny antenimieram-pirenena izay sady manome fahefana ny filoham-pirenena ho mpanao lalàna sy mpanatanteraka moa dia nilaza ny tenany fa tokony hiteny ny HCC fa tsy ara-dalàna na “anti-constitutionelle” iny. Izy ihany no mamoaka hevitra sady mitsara. Jadona izany, hoy ny tenany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT