Antso ho an’ny fitiavan-tanindrazana indray no votoatin’ny kabarin’ny filoham-pirenena tao Antsirabe nandritra ny famoahana ireo mpianatra manamboninahitra “Fandresena 2016” omaly
. Nolazainy fa isaky ny mandeha ao amin’ny sekolin’ny manamboninahitra ny tenany dia mahazo “Hery Vaovao” hatrany. Hafatra no napetrany araka ny anaran’ny andiany avy mba ho Avo fijery sy ho Randrana tokoa ireo manamboninahitra ireto, izay samihafa fiaviana mba ho fampandrosoana. Matoa isika aty amin’ny faha-56 taona nahazoana fahaleovantena mbola toy izao no misy antsika dia tsy ampy fitiavan-tanindrazana ny Malagasy ka aoka mba tsy ho ny miaramila nivoaka tao amin’ny akademia ihany no hiventy ny “Ho an’ny Tanindrazana”, hoy izy. Raha ny kabary nataon’ny filoham-pirenena moa dia saika fanasana atidoha no azo nandraisana azy ho an’ireo nanatrika na dia nambarany aza fa ho an’ireo mpianatra vao nahazo galona no nanaovany azy, satria tsy dia hita loatra izay tena ventin-kevitra azo norasina nambarany fa toriteny no azo nandraisana izany.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.