Ho fanamarihana ny fidiran’ny mpianatra ho an’ny taona 2019-2020 dia notolorana fitaovam-pianarana ireo mpianatra ao amin’ny EPP sy CEG teny Anosibe Angarangarana.
Ireo mpianatra hanala fanadinam-panjakana kosa dia nahazo rakibolana vaovao sy “tablettes numeriques » ankoatra ireo fitaovam-pianarana ireo. Tonga nanolotra izany sy nihaona tamin’ireo mpianatra teny an-toerana ny filoha Andry Rajoelina omaly. Miara-dalana aminy eny foana moa ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, ny fampianarana ara-teknika sy arak'asa, Volahaingo Marie Thérèse. Nasian’ny filoham-pirenena tsindrim-peo manokana ny rakibolana vaovao, izay hozaraina amin’ireo mpianatra rehetra hanala fanadinana manerana an’i Madagasikara. “Laharam-pahamena ny fijerena ny lafiny sosialy ary tafiditra amin`izany ny sehatry ny fanabeazana”, hoy ny filoha omaly, raha nizara fitaovam-pampianarana (kits scolaires) izy. Zava-dehibe ny fampitaovana tahak`izao entina hanasongadinana sy hanandratana ny kalitaon`ny fampianarana eto amintsika, ka raha efa anaty velirano ny fanabeazana sy ny fampianarana dia antenaina fa hanohy ny fanomezana "kits scolaires" toy ny natao tetsy amin'ny EPP Ampefiloha Ambodirano sy Anosibe, ho manerana ny Nosy mihitsy. Nisy ihany koa omaly ireo mpampianatra FRAM teny Anosibe neken’ny filoha avy hatrany fa ampidirina ho mpiasam-panjakana. Manomboka eto izany dia ho hita matetika any an-tsekoly hizara “kits scolaires” ingahy filoha. Ilay loko volomboasary efa naravaka ireo kahie, moa va tsy tosika tsotsotra ho an’ireo kandidan’ny IRD manerana ny nosy ?
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.