Politique

Filoham-pirenena Indiana tonga eto Madagasikara Hanamafy ny fiarovana ny tombontsoan’ny Karana


  • Alarobia 14 Martsa 2018

Hanatanteraka fitsidihana ofisialy eto Madagasikara ny filoham-pirenena Indiana, Ram Nath Kovind sy ny vadiny manomboka anio alarobia 14 ary hitohy rahampitso alakamisy 15 martsa.

 

 Raha araka ny fandaharam-potoana dia anio amin’ny 10 ora maraina izy no higadona eo amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato. Aorian’izay dia hihaona amin’ny filoham-pirenena Malagasy Hery Rajaonarimampianina etsy amin’ny lapam-panjakana Iavoloha. Hisy ihany koa ny fanokanana ilay ivontoerana Géo-informatika ampiasaina amin’ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra (OGARD). Ny alakamisy kosa no hanatanterahana ilay Business Forum Madagascar harahan’ilay fikaonan-doha ataon’ny SEM etsy amin’ny anjerimanontolo Ivato. Raha tsiahivina dia 25 000 ny isan’ny Karana eto Madagasikara ary ny ankamaroan’izy ireo dia mankato ny finoana Silamo. Misy ireo mpanefoefo be manana razam-be Karana izay efa Malagasy taratasy ankehitriny no sady manana ny zom-pirenena Frantsay ihany koa  monina eto Madagasikara tahaka an’i Ylias Akbaraly, tompon’ny Sipromad sady tompon’ilay tranobe mijoalajoala eny Ankorondrano izay manana harena  hatramin’ny 710 tapitrisa dolara na 221 165 000 000 Ar (1dolara=3115Ar). Manaraka azy ao i Hassanein Hiridjee tompon’ny Telma sy ny BNI Madagascar, tombanana ho 705 tapitrisa dolara  harenany. Ambara fa miazona manodidina ny 20%-n’ny toekarena eto Madagasikara ny Karana ary tsy azo ihodivirana intsony amin’ny fampandrosoana ny firenena. Inoana, araka izany, fa antony ara-toekarena goavana no ahatongavan’ny filoha Indiana eto ary tsy maintsy misy ifandraisany amin’ny fiarovana hatrany amin’ny tombontsoan’ny Karana.

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT