Ny sabotsy 21 janoary izao, raha tsy miova ny fandaharam-potoana, no higadona eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny filoham-pirenen’i Tiorkia, Recep Tayyip Erdogan. Hiaraka amina mpandraharaha manodidina ny 300 isa izy,
raha ny fanazavan’ny minisitry ny filaminana anatiny. Raha ny fanazavana azo farany avy eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika dia ho fanatsarana ny fifandraisantsika amin’ny any ivelany no anton’ny hahatongavan’ity filoham-pirenena ity eto. Raha fintinina ny mombamomba azy dia efa praiminisitra nandritry ny 11 taona ny tenany talohan’ny nandraisany ny toerana maha filoham-pirenena azy, izany hoe ny taona 2003 ka hatramin’ny taona 2014. Ny 28 aogositra 2014 kosa ny tenany no nandray ny toerana maha filoham-pirenena ary hetsika nampalaza azy faramparany ny fisamborana mpanohitra ny fitondrana nikasa hanongam-panjakana tany an-toerana nanomboka ny jolay 2016 farany teo. Araka ny vaovao navoakan’ny gazety vahiny iray dia fanonganam-panjakana namboamboarina ihany ity nitranga ity mba hisivanana ireo izay tena mpitrifana tao anatin’ny mpanohitra ny fitondrana tiorka ary dia nanome porofo maromaro toy ny fanagiazana ireo tambajotran-tserasera rehetra tany an-toerana, ankoatra ny an’ny praiminisitra, ny alin’ny 15 jolay nialoha ilay fanonganam-panjakana ity gazety ity. Ny nahagaga, hoy ilay gazety, dia 30 minitra taorian’ny fipoahan’io fanonganana io dia efa tafapariaka tamin’ny kaotin-tambajotran’ingahy praiminisitra fa nisy fikasana hanongam-panjakana.
Be ny maty sy naratra ary voasambotra
104, raha tsiahivina, no voalaza fa mpanao fihetsiketsehana maty tamin’io fotoana io ary 6 038 no nosamborina. Sivily miisa 145 koa no voalaza fa namoy ny ainy ary 1 491 no naratra. Tao anatin’izany dia nisy depiote, mpiasam-panjakana, manamboninahitra miaramila. Rehefa mety ho olom-pirenena Tiorka dia lasibatra tao avokoa. Misy amin’ireo mpanao politika avy eto an-toerana aza no nanasokajy iny tranga iny ho anisan’ireo antsoina hoe “terrorisme d’Etat” ary manahy mihitsy fa varavarana misokatra ho an’ny asa fampihorohoroana eto amintsika ny fahatongavan’ity filoha vahiny ity eto.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.