Firenena sahirana tanteraka i Madagasikara tamin’ny taona 2014 nandraisako ny fitondrana, hoy ny filohan’ny Repoblika Rajaonarimampianina Hery omaly teny Iavoloha.
Manaporofo izany ny salanisan’ny vahoaka mahantra izay maherin’ny 90%. Niantso fitoniana sy filaminana ho fampandrosoana ny fiarahamonina Malagasy ihany koa ny filoham-pirenena manoloana ny fihetsika miaro fanakorontanana mitranga eto Madagasikara ankehitriny. Tsy nitondra tombontsoa sy nanatsara ny fari-piainan’ny vahoaka Malagasy rahateo ireo savorovoro politika nitranga tao anatin’ny 56 taona niverenan’ny fahaleovantena ka ilaina ny firaisankina sy fifanomezan-tanana, hoy ny tenany. Fahantrana hatreto no setrin’ny fiovam-pitondrana tsy ara-dalàna mahatonga fiankinan-doha hatramin’izao avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola, araka ny fanamarihany. Nisongadina tamin’ny lahatenin’ny filoha moa ireo tondro telo manaporofo ny ezaka tontosan’ny fitondrana tarihany ho fanatsarana ny fiainana andavanandron’ny mponina toy ny fanohanan’ny Tahirimbola iraisampirenena ny tetikasa Malagasy hisitrahana ny «Facilité Elargie de Crédit», ny fivoahan’ny Air Madagascar tao anatin’ny lisitra B miaraka amin’ny fahavitan’ireo fotodrafitrasa marobe any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Kabary toa mamaly ny fanehoan-kevitra nataony momba ny tsy fisian’ny fahantrana eto Madagasikara fotoana vitsy lasa izay. Toa fandokafan-tena no betsaka ka nilazan’ny filoha fa nanimba ny teo aloha rehetra fa izy no nahavita nanarina ary mbola hanarina ny firenena; tsy nasian’ny resaka mihitsy kosa ny firongatry ny trafika isan-karazany sy ny fandrobana ny harem-pirenena ataon’olom-bitsy Malagasy sy vahiny eto Madagasikara amin’izao fotoana.
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.