Soa lavo hahay hamindra, hoy ny oha-pitenenana izay, saingy raha ny zava-manjo sy ataon’ny filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina, sy ny praiminisitra no dinihina dia, asa, difotry ny dosie misavovona dinihina isan’andro ve sa tena efa diso matihanina kosa ireo mpamosavy malemy ao an-dapa amin’ny fampihesonana azy mirahalahy ireto ka dia nihesona hatramin’ny mpampihesona?
Vao nandray fahefana teo Mahamasina ny filoham-pirenena ny 25 febroary 2014 dia efa dika mitovy tamin’ny kabarin’ny filoha Frantsay, Nicholas Sarkozy, no nataony. Azo antoka koa fa hahatsiarovan’ny vahoaka Malagasy ity filoha ankehitriny ity, rahatrizay izy tsy ho eo intsony, ilay fampanantenana hoe “3 volana dia ho foana ny delestazy”, izay vao mainka aza moa mirongatra hatramin’izao. Iza koa re no mba ao ambadiky ny fanaratsiana ny endriny amin’ity fisoparana ny filoha teo aloha, Marc Ravalomanana, sy ireo tsy mitovy firehana amin’ny fitondrana ity ee? Etsy an-kilany kosa, ny praiminisitra fahatelo sady azo antoka fa ho farany ao anatin’izao fitondrana izao, Mahafaly Solonandrasana Olivier, dia hita ho miteny matetika amin’ny haino aman-jery saingy hita ho “gouvernement de dégâts” koa ankehitriny ny “gouvernement de combat” nohirainy.
Tazomy amin’ny vavako
Voambolana efa nivoaka tamin’ny vavany ny hoe “tazomy amin’ny vavako”, roa taona lasa izay, “ fa tsy hiotra ity volana ity akory dia ho hita ireo mpanao trafika..” kanjo moa tsy nifanaraka tamin’izay ny zava - nitranga. Isany koa ny hoe “efa voafehy” ary dia nanara-davahana izany moa taty aoriana ny minisitry ny fahasalamana. Inona akory anefa? Tsy voafehy ny fitsaram-bahoaka, ny tsy fandriam-pahalemana, ny fiakaran’ny vidim-piainana. Ny raharaha Claudinne Razaimamonjy izay nanomboka nafampana ny taona 2016 no tena no tena nandoto tanteraka ity praiminisitra ity satria dia isan’ny voatonona ho mpanome baiko tamin’izany ny tenany. Voalaza tamin’izany fotoana fa olona tao anaty fitondrana ihany no namoaka ny vaovao. Ny farany teo moa no tena nahatsikaiky satria dia nilaza ny tenany fa hizaha fasalamana kely any ivelany ary haharitra herinandro any. Ny ampitson’iny ihany anefa ingahirainy dia niverina vao nahare fa nosoloina ny toerana maha praiminisitra azy. Ary tsy fizaham-pahasalamana velively no nolazaina fa antony nivoahany fa hoe namita iraka. Samy hita ho misavoritaka ambony ambany ankehitriny na ny eny Iavoloha na ny eny Ambohitsorohitra ary hita ho tena sasatra sy voatery mamono afo amin’ny hafitsok’ireo mpamosavy malemy izy mirahalahy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.