Mampahatsiahy ny zava-nitranga tamin’ny governemanta Jean Ravelonarivo ny zava-misy ankehitriny.
Maro be ny feo re sy ny loharanom-baovao avy ao an-dapa mihitsy milaza fa tsy mety intsony ny fiaraha-miasa eo amin’ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra, saingy mbola tafajanona eo amin’ny toerany ihany aloha ilay praiminisitra. Efa ho iray volana izao no nahoraka be io fifandraisana somary mangatsiaka eo amin’ny filoha Rajaonarimampianina sy ny praiminisitra Solonandrasana io. Nisy resaka hatramin’ny hoe naato mihitsy aloha ny fitsidiham-paritra nataon’ny praiminisitra. Voalaza fa samy manana ny olony ao anaty governemanta sy anatin’ny rafi-pitantanana ny fanjakana ny roa tonga ka mahatonga ny savorovoro indraindray sy ny baiko mifanohitra mihitsy aza. Na ireo minisitra aza dia fantatra fa misy ny elatra Rajaonarimampianina sy ny elatra Solonandrasana. Efa mahafantatra tsara ihany koa ny praiminisitra fa misy ny tetika hanesorana azy ka efa miomana sy miaro tena izy fa tsy hanaiky hailika moramora foana, hoy ny loharanom-baovao iray. Ingahy Solonandrasana izay mahalala zavatra maro momba izao fitondrana HVM izao, hany ka lasa adivarotra no manjaka amin’izao fotoana ao ambonimbony ao. Te hanapa-kevitra mafy ny filoham-pirenena saingy lasa manao politikan’ny mandroso mihemotra noho ny antony maro. Ny resaka heno farany dia ny hoe :fanoloana minisitra aloha no irosoana fa miandry ny fivorian’ny parlemanta manaraka amin’ny volana oktobra vao hodinihana indray ny momba ny praiminisitra. Ny loza amin’ity resaka ity dia lasa tsy mirindra tsara intsony ny asan’ny fahefana mpanatanteraka satria tsy mahay miara-miasa araka ny tokony ho izy ny ekipan’ny prezidansa sy ny primatiora fa dia mifampiandry kendry tohana sy toa mifanipy hoditr’akondro mihitsy aza indraindray. Ny praiminisitra Solonandrasana mantsy no re fa nanome ny baiko tamin’ny fanakanana ny ankamaroan’ireo hetsika sy fivoriana nolazaina fa manana endrika politika manerana ny nosy, tato ho ato izay. Ny filoham-pirenena anefa avy eo no lasa ratsy endrika sy voalaza fa manao didy jadona, ary tena azo antoka fa hitondra voka-dratsy amin’ny ho avy politikany ilay fanetsehana herim-pamoretana isaky ny mihetsika. Izay no antony nanaovan’ny filoha Rajaonarimampianina fihetsika tsy fanaony firy fahiny toy ny fanaovana fanamiana miaramila sy ny firobohana ranomasina tany Antsiranana, mba hanodinana ny sain’ny olona sy hamafana ny tsy mety. Vao miha serasera miiba no nisy ary izy indray aza no nataon’ny olona fihomehezana sy nambara fa efa tena tsy mahafehy intsony ny fahefana ka manala azy sisa.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.