Mihenjana raha tsy efa tapaka ny fifandraisana eo amin’ny filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra. Toa olona mifampindrafy sisa raha ny zava-niseho tato anatin’ny herinandro, lasa sorona ny fiainam-pirenena.
Endrika iray isehoan’izay ny zava-mitranga any Farafangana amin’izao fotoana. Nanomana hetsika fanamafisana ny fampihavanana ireo foko nifandrafy roapolo taona lasa mahery izay, dia ny Antefasy sy ny Zafisoro, ny ekipan’ny praiminisitra. Hatao rahampitso zoma 18 martsa io lanonana io, izay hatrehin’ny praiminisitra Ravelonarivo Jean. Re anefa fa toherin’ny vahoaka ao aminy ireo Ampanjaka Zafisoro, tsy mba naka mialoha sy niera tamin’ny Vahoakany mialoha ny nanapahan-kevitra amin’io. Mifanindran-dalana amin’izay dia efa any Farafangana ihany koa ny mpisava lalana ny fahatongavan’ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina. Amin’ny sabotsy 19 martsa ity farany no ho avy any. Nisy nanapaka ny « émetteur » ny Radio Nasionaly Malagasy ao Farafangana, raha niteny tao amin’ny radio nanentana ny olona ho avy maro hanotrona ny filoha, ny minisitra teo aloha zanak’i Farafangana, Ndremanjary Jean André, ny harivan’ny talata 15 martsa. Talohan’izao dia re ihany koa fa nisy fahatarany antsasakadiny ny dian’ny filoha Rajaonarimampianina sy ny delegasiona niaraka taminy, hihazo ny nosy Maorisy namonjy ny fankalazana ny faha-48 taonan’ny fetim-pirenen’izy ireo, noho ny fiandrasana ny praiminisitra Ravelonarivo Jean teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny 10 martsa 2016. Fa nanaitra ny nampisamborana vehivavy mpandraharaha iray, mpanolotsaina akaiky ny filoha. Efa nigadona vao maraim-be tao an-tranon’io mpandraharaha io ny mpisambotra. Ny filohan’ny Repoblika no nisakana ny hanatanterahana io fisamborana io, araka ny vaovao any an-toerana. Hitohy hatramin’ny oviana io fifaminganana eo amin’ny filoha sy ny praiminisitra io ? Mandia fotoan-tsarotra mantsy ny fiainam-pirenena. Raha mahatsiaro ho tsy itokisana ihany koa, inona no mampifikitra ny praiminisitra amin’ny sezany fa tsy mametra-pialana raha tena Olom-panjakana marina izy, mitsinjo ny tombontsoam-pirenena ?
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.