Tsy tongatonga ho azy ny kabary fandokandokafana ny fitondram-panjakana sy ny filoham-pirenena nataon’ny praiminisitra Jean Ravelonarivo teny Iavoloha ny zoma 8 janoary lasa teo fa ao raha.
Herinandro mialoha io fety io no efa niparitaka ny resaka fa hosoloina ny praiminisitra, taoriana kelin’izay dia mifandimby maneho hevitra amin’ny gazety sy ny haino aman-jery ireo mpanao politika miara-dia amin’ny HVM fa rariny sy hitsiny raha asiam-panovana ny governemanta taorian’ny fifidianana loholona ny 29 desambra izay nandresen’ny HVM mazava be. Re tamin’ireo etamazaoro politika koa avy eo fa hoe hisy ny fanovana governemanta amin’ity volana janoary ity, teo aza ny nandroso daty mihitsy hoe mialoha ny 15 janoary. Vao tamin’ity herinandro ity indray no nandrenesana fa misy ekipana serasera any ambadibadika any mikaroka ny paikady hanaratsiana endrika tsotra izao ny praiminisitra mba hahamora ny fanesorana azy rehefa avy eo. Efa fomba fiasa ihany moa io eny hatrany ivelany aza rehefa misy olona tiana hailika. Na ahoana na ahoana anefa resaka mandeha sy feo miely dia any amin’i Hery Rajaonarimampianina ny baolina, izy no manapa-kevitra farany. Izy izay mahafantatra tsara fa efa malailay fonosana amin’ny HVM ny praiminisitra Jean Ravelonarivo ary maro amin-dry kravaty manga no efa manonofy hitoetra eny Mahazoarivo. Nanova zavatra betsaka ihany koa ny fahafantarana fa anisan’ireo mety ho kandida filoham-pirenena amin’ny 2018 i Jean Ravelonarivo. Io teboka iray io, araka ny tsiliantsofina re no tena fototry ny tsy fifankahazoana eo amin’ny praiminisitra sy ny ekipan’ny filoham-pirenena.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.