Politique

Filoha sy ny PM Mody fanina


  • Sabotsy 20 Febroary 2016

Nankalazaina be ny atrikasa nasionaly momba ny fikatsaham-bahaolana amin’ny kere any amin’ny faritra Atsimon’ny nosy.

Rehefa tena notanterahina anefa dia tsy nisy hita ny Raiamandreny tokony hitarika.

Tsy ho any Ambovombe hiatrika ny famaranana ny atrikasa nasionaly momba ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo na ny kere ny filoham-pirenena malagasy Hery Rajaonarimampianina ary tsy ho any koa ny praiminisitra ny jeneraly Ravelonarivo Jean.  Efa nisy ny fivoriana natao taty Antananarivo ary tapaka tamin’izay fa fivoriana teknika no hatao any Ambovombe eo anivon’ireo minisitera rehetra voakasika ka izany no antony tsy ilana ny andehanan’ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra any an-toerana, araka ny fanazavana nomena ny Tia Tanindrazana avy amin’ny tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny Fiadidiana ny praiminisitra.

Ny maha lasa saina dia ny fihetsik’ireto noheverina ho Raiamandrenin’ny firenena manoloana ny fahoriana mianjady amin’ny mpiray tanindrazana. Marina fa efa any an-toerana ireo teknisianin’ny minisitera isan-tokony fa hafa ihany ny atrehin-dRaiamandreny amin’ny andro sarotra. Lanonana na fivoriana hafa izay heverina fa tsy dia manan-danja loatra aza hotronin’ireto olom-panjakana ambony ireto ary andaniany vola be ny fanofana ny angidimby sy ny fiaramanidina andehanana any, vao mainka fikatsaham-bahaolana amin’ny kere izay olana mpiseho any Atsimo saika isan-taona ary mianjady amin’ny mpiray tanindrazana. Lamba “friperie”miampy vary sy vola azo avy amin’ny “téléthon” no mba foin’ny Fanjakana ho azy ireo. Sa tsy mahafeno ny ranomason’izy ireo ny fahorian’ny vahoaka any atsimo fa avelao hitomany irery ao ramatoa Onitiana Realy minisitry ny Mponina ? Izy no avy any amin’ny faritra Atsimo ka maharary amin’izany ? Ranomaso anefa hahavita inona rehefa tsy eo ny mpanapa-kevitra. Mazava ankehitriny fa fihetsiketsehana ivelany ihany ity atao any Ambovombe ity satria tsy mbola hisy fanapahan-kevitra horaisina. Ireo mpandidy sy mpanapaka tsy misy any koa. Iny diany indray mandeha tany Beloha iny izany izay nanomezany vary 20 taonina sy voamaina 10 taonina iny dia heverin’ny filoha fa hahavaha ny olana. Ampy hisainan’ireo mpitondra fanjakana sy olom-boafidy avy any Atsimo tsy mahalala afa-tsy ny hisolelaka amin’ny fitondrana ihany koa izao fihetsiky ny mpitondra izao. Mba misaina lalina amin’ny sisa e !

Andry Ratovo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT