Politique

Filoha sy ny governemanta Tena tonga ny tsotsorimamba isarahana


  • Talata 21 Janoary 2020

Andro vitsy sisa dia higadona ny 24 janoary naha herintaona nananganana ny governemanta, izay nisian’ny « contrat-programme » handrefesana ny asan’ireo mpikambana.

 

Nampitahain’ny filoha Andry Rajoelina amin’ny ekipa baolina kitra ny zava-misy, ka ao ny nahomby, tao ny reraka ambony ihany, tao ny tsy afaka, raha ny nambarany nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha omaly. Tonga izany ny tsotsorimamba hisarahana satria nohamafisiny fa hisy ny fanovana ny governemanta ary ao anatin’ny fanaovana tombana sy fijerena ny asan’ireo minisitra izy amin’izao fotoana. Misy minisitra tena miasa fa misy misy maisatra tarihina, ka tsy maharaka ny diako, hoy i Andry Rajoelina. Minisitra 8 eo amin’ny 23 no mety hotazonina raha ny siosion-dresaka efa re avy any an-dapa any. Andrasana anefa izay mety ho fanapahan-kevitra farany satria ny filoha no tompon’ny teny farany. Ny tsy azo lavina, dia misy ekipa tsy mahavita azy sy tsy mahavaha olana ao anaty governemanta ao, ary saika ny ankamaroany matoa endrika somary miiba no tena misongadina amin’ny asan’ny fanjakana ka takona ny mety ezaka misy. Misy no toa efa mametrapetraka ny kajikajy politikany sy ny tombontsoany manokana. Toa manao mpamosavy malemy mihitsy aza ny sasany, izay maro no mihevitra fa mety ho mpifandrina politika amin-dRajoelina atsy ho atsy. Andrasana izay fanapahan-kevitra hiseho, fa matoa aloha ho tonga amin’ny tsotsorimamba hisarahana, dia tsy arakaraka ny nantenaina ny vokatra.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT