Politique

Filoha sy ny ekipany Hifety be any Frantsa…


  • Alatsinainy 30 Desambra 2019

Re fa lasa any andafy ny filoha Rajoelina mianakavy. Mikarakara hetsika ao Parisy ka ao amin’ny efitrano lehiben’ny Unesco izy ireo no hanao izany.

 

 

Delegasiona mafonja ihany koa no manaraka azy. Anisan’izany ny artista maro, ny kandida ben’ny tanàna teto Antananarivo Atoa Naina Andriantsitohaina,… ary manginy fotsiny ny ekipa teknika dia ny fianakaviamben’ny fiadidiana ny Repoblika. Aiza ho aiza amin’izany ny politikam-pitsitsiana ? Moa tsy entin’ny mpitondra amin’ny fiadanany fotsiny ny fahefana izay ananany sy ny volam-bahoaka eo am-pelatanany ? Noresahina fony vao tonga teo amin’ny fitondrana ny politikam-pitsitsiana. Nakana fom-bahoaka ny firesahana tamina fampahalalam-baovao iray fa tsy hasiana fisakafoanam-be eny Iavoloha mba ho fifampiarahabana noho ny fahatrarana ny taona vaovao. Tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina dia nisy minisitra ankehitriny mihitsy nitsikera sy nahavita nanao kaontikaonty fa 350 dolara isan’andro (1,2 tapitrisa mahery eo) isan’olona isan’andro ny “indemnité” na tambin-karama ho an’ny mpikamban’ny delegasionina iray mamita iraka any ivelany. Ny tamin’izany mety dinika sy fivoriana iraisam-pirenena fa ity izany mety kifetifety sy kirevirevy. Ny nanenjehana ny hafa ihany ve no haverina ?

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT