Politique

Filoha Ravalomanana tany Tolagnaro “Lazaonareo CST sy CT amin’ny vahoaka ny marina !”


  • Talata 03 Janoary 2012

Nitady toko ka sendra vato ! Io no azo amintinana ny zava-nisy teo amin’ny fianakaviamben’ny TIM-Zanak’i Dada tany Tolagnaro teo am-pandraisana ireo CST sy CT avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ny sabotsy teo.

 Nampita hafatra ho an’ny mpikambana ny filoha Ravalomanana. Hentitra ny toromarika nambarany tamin’ireo olomboatendry miara-dia aminy. “Lazaonareo ny tena zava-misy sy ny vaovao marina ny vahoaka”. Tsy ireo olomboatendry any amin’ny Distrikan’i Tolagnaro ihany no nampitainy izany hafatra izany fa ireo CST sy CT ary ireo minisitra avy amin’ny firehany. “Tsy maintsy ary ho avy tsy ho ela any Madagasikara aho ary hanarina ny tanindrazantsika nopotehin’ny sasany. Malahelo ny Malagasy mizaka ny fijaliana tsy satry aho. Hovahana izay ary manàna finoana. Tsy hivaha izao krizy izao raha tsy tonga any an-tanindrazana aho”, hoy hatrany ny filoha Marc Ravalomanana. Aoka hifampatoky isika ary aza matahotra, minoa fotsiny ihany fa mbola hotohizana ny lalana sy ny dingana efa natomboka, hoy izy. Anisan’izany ireo lalana sy fotodrafitrasa efa natomboka.

Mbola nohamafisiny fa anisan’ny ho laharampahamehany ny fitsidihana ny renivohitra Anosy rehefa tonga eto an-toerana ny tenany. Nisy ny fifampirariantsoa teo amin’ny andaniny Zanak’i Dada ao Tolagnaro,ary ankilany ny filoha Ravalomanana raha nitafa mivantana tamin’ny alalan’ny antso an-tariby avy any Afrika Atsimo ny tenany. Nahazo hery ireo Zanak’i Dada teo am-pandrenesana ny hafany amin’ny fiatrehana ny taona vaovao izao. Nampanantena ireo Zanak’i Dada ao Tolagnaro fa tsy hivadi-belirano aminy fa ny hitolona hatrany ny amin’ny hiverenany haingana eto an-tanindrazana, sy hanohana azy amin’ny ho filatsahany hofidina ho filoham-pirenena.

Natiora OTH

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT