Araka ny voafaritry ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ho amin`ny taona 2020 dia tsy maintsy hiroso amin`ny fanaovana fitsapan-kevi-bahoaka
mahakasika fanovana ampahany amin’ny Lalàmpanorenana ny fitondrana. Sarotra ny hilaza na tsara na ratsy ilay fanovana na fanitsiana tian’ny fitondrana entina. Tsy afaka hitondra fanazavana na fanohanana na fanakianana momba izany amin’izao fotoana. Hatreto dia tombantombana no entina. Moa ve ireo hevitra nivoitra nandritra ny hetsiky ny depiote 73 no hotanterahan’ny filoha Rajoelina ? Inona tokoa moa no nitambaran’ireo depiote tamin’izany ? Raha tsiahivina, nikasa hikitika lalàmpanorenana ny fitondrana ny volana aprily lasa teo. Mamaivay ny kiana avy amin`ireo mpanara-baovao: tsy voafaritra ny hamehana, maika hikitika ny lalàmpanorenana mba hifanaraka amin`izay mety aminy ny mpitondra… Ny eo amin`ny mpitondra kosa dia tsy maintsy miaro ny politika entiny mitondra ny firenena. Raha te hanatontosa ireo fampanantenany sy ireo velirano nataony ny filohan`ny Repoblika, tsy maintsy miroso amin`ny fitsapan-kevi-bahoaka: hapetraka ireo governora isam-paritra ka ho lasa 23 ny isan`ny faritra, hofidiana ny sefom-pokontany… Tsy olana ny manitsy na manova lalàmpanorenana saingy tokony hatao ao anatin`ny fifampidinihana izany. Tsy azo atao maimaika fa mila ifampiresahana amin`ny mpisehatra politika rehetra ary misy ny dingana sy paika arahina. …. Na i Andry Rajoelina aza dia nanova io lalàmpanorenana io ny taona 2010 mba tena hifanentana taminy satria nihevitra ny hijanona teo, saingy tratry ny “ni…ni…” ny 2013. Mbola lalàm-pifidianana sy lalàna hahafahany mitazona fahefana no nanonganana an-dRajaonarimampianina izay narovan’ny HCC ary iny resy tamin’ny fifidianana iny.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.