Politique

Filoha Rajoelina mivady Miomana sahady amin’ny 2023…


  • Alakamisy 06 Febroary 2020

Vita izay ny fametrahana olona tamin’ny alalan’ny fifidianana. Azo ambara fa efa marin-toerana tsara ny fanjakana Rajoelina taorian’ny fifidianana filoha, solombavambahoaka, ben’ny tanàna, izay nahazoany ny maro an’isa.

 

 

Tsy afa-po anefa ny fanjakana ka te hikitika ny lalàmpanorenana, ankoatra ny fifidianana loholona mialoha ny fotoana hataon’ireo olom-boafidin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Mazava fa mbola hanamafisana ny fahefana no tanjona amin’izay, ary mety efa ny kajin’ny 2023 no homanina. Ny fanjakana Andry Rajoelina no nanao ny lalàmpanorenana amin’ny endriny ankehitriny, saingy izy ireo no tsy afa-po. Mety ho avy ny fitsapan-kevi-bahoaka, saingy tsy taitra aloha ny olona amin’ny fanamarihana sy fampidirana anarana ao anaty lisi-pifidianana ny 1 desambra 2019 ka hatramin’ny 15 febroary 2020 izao. Anisan’ny hovana ao ny Lehiben’ny faritra hovaina governor. Raha ny ambaran’ny andininy faha-154 amin’ny lalàmpanorenana dia fidiana ny lehiben’ny faritra, nefa fanendrena no natao. Mety hisy ny fanovana momba ny rafi-panjakana ka tombanana hiroso amin’ny rafitra manome fahefana betsaka ny filoha (Régime présidentiel fort), raha toa ka “sémi-presidentiel” isika ankehitriny, izay midika fa manan-danja be eo amin’ny fanapahan-kevitra ireo parlemanta. Efa manana ny maro an’isa anefa ny antokon’ny fitondrana fa tsy afa-po. Toa mihazakazaka be maneho fa miasa ny filoha mivady, hany ka takona tanteraka ny governemanta. Raha ny resaka fanampiana ny traboina, dia toy ny tsy misy ny minisiteran’ny mponina sy ny BNGRC fa lasa anjara asan’izy mivady. Toa efa endrika “pré-campagne” ho an’ny ffidianana filoha amin’ny 2023 sahady, hoy ny fijerin’ny mpandinika.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT