Samy nahatsikaritra ny rehetra nanatrika ny lanonana fanateram-boninkazo teny Mausolée avaratr’Ambohitsaina sy ireo izay nijery ny
TVM omaly fa niresaka manokana tamin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra Rtoa Lalao Ravalomanana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina. Tsy afaka nandre ny resaka nifanaovan’ny roa tonta moa ny mpanao gazety noho ny fitandroana ny filaminana hentitra, saingy azo sary an-tsaina ihany fa nisy resaka momba an’Antananarivo Renivohitra tao, ankoatra fifampiarahabana mahazatra rehefa mihaona. Resa-be efa fandre moa ny hoe tsy mifanaraka tsara ny fiadidiana ny tanàna sy ny fitondrana foibe. Re ihany koa fa nisy ny fifanatonana sy fifampiresahana teo amin’ny roa tonta, taorian’ireny olana momba ny fako ireny. Miandry izay ho tohin’ny raharaha ny rehetra satria tena asa be tokoa ny fanarenana ny renivohitra, ary ho vita haingana kokoa izany raha toa ka mahay miara-miasa tsara ny fitondrana foibe sy ny kaominina. Ankoatr’io dia tazana niresaka tamin’ny minisitry ny fitsarana ihany koa Ramatoa ben’ny tanàna.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.