Politique

Filoha Marc Ravalomanana Volamena latsaka am-bovoka ka mamiratra hatrany


  • Alatsinainy 26 Septambra 2011

Feno hipoka indray tetsy amin’ny Magro Behoririka tamin’ny sabotsy teo ka nahavaky vava ny mpitari-tolona Sazalahy Tsianihy hoe «efa mety izao fahatongavana maro izao fa tohizo».

 “Mivoady aho fa hitolona hatramin’ny farany”, hoy ny Pasitera Edouard. Niakatrakatra koa anefa ny feo teny an-toerana rehefa ny mikasika ny fisamborana ny Filoha Marc Ravalomanana ventesin’ny FAT sy ny mpomba azy no voaresaky ny mpandahateny. Tonga hatrany amin’ny hoe “mikitikitiha eo …”. Ankoatra ny filazany vaovao hafahafa amin’ny fahitana Frantsay ranjanana roalahy manofa trano eny akaikin’ny hopitaly iray lehibe eto an-drenivohitra izay mampiahiahy fa kidoro fotsiny no misy ao an-tranony, dia nilaza koa i Manoela fa ny fahavitan’ny sonia ny tondrozotra no nahafahan-dRajoelina niteny tany New York ary hamatotra azy iny fandehanany tany iny. Dia notohizan-dRostand avy hatrany hoe : vao nanao sonia i Mamy Rakotoarivelo dia nahazo pilipitra ny filohan’ny FAT fa tsy hisy vola mikoriana izany raha tsy sonian-dRavalomanana no eo.

Mbola nanampy izay rehetra izay ny Depiote teo aloha Rakotomanjato Rodin tamin’ny filazana fa misaora ny Ankolafy fa raha tsy ireo dia tsy afaka niteny indray tany New York. Momba ny fanaratsiana ny mpitarika ny Ankolafy telo sy ny fikasan’ny FAT hisambotra ny filoha Ravalomanana any afrika Atsimo dia nambaran’i Camille Mektoub fa volamena latsaka am-bovoka tokoa iny ka mamiratra hatrany ary ny fanaratsiana mahazo azy lasa manadio azy hatrany, hoy izy.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT