Politique

Filoha Marc Ravalomanana Tsy nanaiky ho tonga rajakom-bazaha


  • Alatsinainy 23 Aprily 2012

Saro-bahana ny raharaha politika eto Madagasikara. Mbola mikitroka ny lalan-kizorana ho an’ny vahaolana telo taona aty aorian’ny fanonganam-panjakana notarihin-dRajoelina sy ny mpomba azy.

 Teny zato, kabary arivo saingy tokana ny marina ny amin’ny fikatsoan’ny dinika. Tsy inona izany fa tsy famelana ny Filoha Marc Ravalomanana hody eto an-tanindrazana mandrakizay. Nilokaloka ny amin’izay rahateo ny mpanongam-panjakana vao haingana.

Mampahatsiahy ny zava-nisy tany aloha ny sedra atrehin’ny olom-pirenena maro, izay mitaky ny fiverenan’ny Filoha teo aloha. Ataon’ny mpandrombaka fahefana sy ireo mpiray petsapetsa aminy toy ny natao ny Mpanjakavavy Ranavalona III ny Filoha Ravalomanana. Nosamborin’ny mpananibohitra notarihin’ny Jeneraly Gallieni ny alin’ny 28 febroary 1897 ny Mpanjakavavy sy ireo havany akaiky. Rehefa izany, dia nalefany tatsy amin’ny nosy La Réunion izy ireo mialoha ny nandefasana azy an-tsesitany tany Alzeria. Nifarana tanteraka tamin’io fandefasana an-tsesitany ny Mpanjakavavy io ny fanjakana merina. Nanjaka tanteraka teto amin’ny Nosy ny mpanjanaka sy ny forongony taorian’izay.

Na tany an-tsesitany aza anefa ny Andriamanjakan’i Gasikara, dia mbola nahazo ny haja amam-boninahitra mendrika azy ihany. Nomena toeram-ponenana kanto Ranavalona III. Afaka nitsidika ny firenena toa an’i Frantsa ihany koa izy. Nohobiana izy teny amin’ny lalana nolalovany. Tapitra tany an-tsesitany anefa ny androm-piainany. Nodimandry ny 23 Mey 1917 tany Alger renivohitr’i Alzeria mantsy ny Mpanjakavavy Ranavalona III. Tsy nampodiana an-tanindrazana ny lavenony raha tsy ny 10 Oktobra 1938, izay nalevina teny amin’ny Rovan’Antananarivo, fantatry ny maro amin’ny hoe Anatirova.

Loza loatra ny tahotry ny mpanjanaka ny mponin’Imerina tamin’izany fotoana izany. Izay no antony lehibe nandefasany an-tsesitany ny Mpanjakavavy sy ireo havany akaiky. Sarotra ho an’ny mpanjanaka ny hifehy ny tany sy ny fanjakana raha mbola nijanona teto an-tanindrazana ireo olona nandrian’ny fony vahoaka, indrindra fa raha nitohy nifanerasera tamin’ny vahoaka izy ireo na ireo tandindon’ny fahefana nananany tany aloha ihany koa. Porofo iray mivaingana ny hetsika nataon’ny Menalamba izay naka tany vokaka sy nivavaka teny Ambohimanga Rova ho fanoherana ny mpananibohitra. Mbola izay ihany koa no antony namindran’i Gallieni ny Masina nilevina teny Ambohimanga Rova ho eny Anatirova taty aoriana. Nifanindran-dalana tamin’ny filazana fa fampandrian-tany izany koa dia voafehy ny tanàna rehefa babo Imerina manontolo.

Miverina ny tantara ankehitriny.

Mpitondra voafidim-bahoaka ny Filoha Marc Ravalomanana. Naongana anefa izy satria tsy nanaiky ho tonga rajakom-bazaha. Tsy vitan’ny naongana fa noterena handao tsy fidiny ny tanindrazany ihany koa. Famonoana mivantana ny Filoha sy ny manodidina azy no baiko azo nandritra ny sahotaka 2009, araka ny manamboninahitra iray ao amin’ny Tafika Malagasy. Nitsipaka marindrano ny baiko ny manamboninahitra maro tamin’izay. Hany heriny nanampy ny Filoha sy ny vady aman-janany nivoaka ny trano no natao. Mahazo tsy tapaka ny haja amam-boninahitra mendrika azy noho ny maha olom-panjakana ambony azy ny Filoha Ravalomanana hatramin’ny fiandohan’ny sesitany izay mihatra aminy sy ny fianakaviany. Afaka mivezivezy malalaka any amin’ny firenena samy hafa ihany anefa izy afa-tsy ny tanindrazany irery ihany. Raha izao anefa no mitohy dia angamba ho ny taolambalony sisa no hany havelan’ny mpanongam-panjakana sy ny tariny mody eto raha zohina amin’ny kabarin’i Andry Rajoelina teny Ambohitsorohitra ny 07 febroary 2012 ireny.

Raha ny eto an-toerana indray dia milofo fatratra ny mpanongam-panjakana sy ny tariny mamendrofendro ny mpomba ny Filoha Ravalomanana. Nopotehana sy norobaina ny fananany manontolo. Nakatona ny haino aman-jery nivoy ny hevitry ny firehana Ravalomanana. Tratry ny antsojay sy nosamborina ary nogadraina ny lohandohan’ny mpisorona akaiky azy rehetra. Rahonana sy sakanana tsy hahazo sehatra mba hitenenana sy hanehoan-kevitra ny mpomba azy… Manginy fotsiny ny fampiasan-kery amin’ny endriny maro ho fanapenam-bava. Miezaka mampandry tany mantsy ny tompom-pahefana. Etsy an-daniny, migalabona tanteraka ny vahiny sy ny olom-bitsy eto Madagasikara. Izay tokoa angamba ny hoe «farihy maty voay», araka ny fiteny, ka na ireo tsy mahay milomano aza sahy miroboka. Raha atao bango tokana, dia ny zava-nitranga sy nampiharina tamin’ny andron-dRanavalona III no misy eto Madagasikara amin’izao fotoana izao.

Tsy nipetra-potsiny

Ao anatin’ny taon-jato faha-21 sy ny taona arivo fahatelo anefa izao tontolo izao ankehitriny. Tamin’ny taon-jato faha-20 sy ny taona arivo faharoa no nahitana teto amin’izao tontolo izao ny fisian’ny ampahan’olona tratry ny tsindrihazolena noho ny fireharehan’ny hafa. Tsy hafa amin’izao atao ny vahoaka Malagasy ankehitriny izao no nanjo ny vahoaka mainty hoditra tany Amerika sy Afrika Atsimo tamin’ny fotoan’androny, raha tsy hilaza afa-tsy izy ireo. Niady mafy izy ireo nanohitra ny tsy rariny fa tsy nipetra-potsiny. Nahitam-bokany izany. Anarana tsy afaka ambanin’ny mpanara-baovao maro maneran-tany izany hoe : Nelson Mandela izany. Torak’izany ihany koa ny hoe Barak Obama eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Izy mantsy no hany mainty hoditra voalohany tafakatra teo amin’ny sehatra faratampon’ny firenena lehibe indrindra eran-tany izany. Nandalo dingana maro ireny ampahan’olona tratry ny tsindrihazolena ireny vao tonga amin’ny toerana misy azy ankehitrio izy sy ny taranany. Raha tsorina ny resaka, dia arakaraka ny hamoretana ny vahoaka iray no mampitroatra azy. Efa niaina izany isika teto Madagasikara. Maro amin’ny taranak’ity firenena ity anefa no manadino na tsy mahalala akory ny lasa. Ataon’ny besandry sy ny avo feo fahirano, noho izany, ny tanàna.

Rivonala Razafison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Michel Razafindrandriatsimaniry
  • Zoma 05 Jona 2026

Manentana ireo Olomboatendry

  • Vovonana RALI
  • Zoma 05 Jona 2026

"Tsy misy fotoana ho an'ny adilahy,

  • Antoko politika Les Phares
  • Zoma 05 Jona 2026

«Efa misy dingana maro vita

  • Afera Rajerison, HCC, resaka fanakorontanana,…
  • Zoma 05 Jona 2026

Hangotraka ny fanenjehana,

  • Nikaon-doha
  • Alakamisy 04 Jona 2026

ny Filoha, FFKM, Praiminisitra,…

Hijery ny tohiny
FTT