Hanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy teo Madagasikara mandritra ny telo andro ny filoha Kaomorianina Ikililou Dhoinine sy ramatoa vadiny.
Anio amin’ny 10 ora maraina no higadona eny Ivato ny fiaramanidina mitondra azy ireo, ka hisy avy hatrany anio amin’ny 3 ora tolakandro ny fihaonana eo amin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina sy Ikililou Dhoinine eny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ary arahana tafa amin’ny mpanao gazety izany.Ny alarobia tolakandro kosa no handao an’i Madagasikara ny filoha Kaomorianina ; izay aloha ny fandaharam-potoana ofisialy avy any amin’ny fiadidiana ny repoblika saingy heverina fa tsy maintsy hihaona amin’ireo teratany Kaomorianina maro be monina, miasa sy mianatra eto Madagasikara ny filoha Ikililou Dhoinine.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.