Anisan’ireo nihaona tamin’i Marius Fransman, minisitra lefitra afrikanina tatsimo misahana ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisana iraisam-pirenena ny Vahoaka Miray na VAMI, tarihin-dRakotomalala Rija, filohany.
Naka ny hevitr’ity fikambanana ity mikasika ny fomba hoenti-mamaha ny krizy misy eto amintsika amin’izao fotoana ny iraky ny Troika-SADC. Tsy miova ny hevitry ny VAMI, araka ny nambaran-dRakotomalala Rija. Takian’izy ireo hatrany ny hampodiana ny filoha Ravalomanana eto an-tanindrazana amin-kalalahana amin’ny maha Zanak’i Dada azy ireo arahin’ny filatsahan’ity filoha ity ho filoham-pirenena amin’ny Repoblika fahefatra. Mitsipaka marindrano ny fanambaran’i Pety Rakotoniaina ny amin’ny tsy tokony hilatsahan’ny filoha Ravalomanana amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena izy ireo ho tambin’ny fodiany malalaka eto an-tanindrazana koa ny VAMI. Tsy misy tsy diso teto amin’ny firenena, hoy ny VAMI.
Maro ireo olona efa nanana olana tamin’ny fitsarana, hoy ihany ny VAMI saingy mitantana firenena izy ireo amin’izao fotoana ary manana ny toerany avokoa. Tsy tokony hanaovana antsojay ny filoha Ravalomanana fa avela hilatsaka mba hananan’ny vahoaka safidy malalaka. Mikasika ny hevitry ny filohan’ny FAT ny amin’ny tsy tokony hilatsahan’izy roalahy mianaka moa dia mahita ny VAMI fa mety misy am-badika politika aoriana ao. Mety efa manana olona harotsaka ny filohan’ny FAT. Mety tsy hampaninona ity farany akory izany, araka ny fahitan’ny VAMI azy satria efa dimy taona sahady amin’ny taona 2013 ho avy io no nitantanany an’i Madagasikara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.