Tsy nahafaly ary nahakivy ny filoha Tanzanianina sady filohan’ny Troikan’ny SADC, Jakaya Kikwete, ny fivoaran’ny toe-draharaha eto Madagasikara.
Ny zoma sy ny sabotsy lasa teo no nihaona tany Dar-es-Salam Tanzania ny filohan’ny tetezamita sy ity filohan’ny Troika ity. Tsy nahagaga raha tsy be resaka tamin’ny diany i Andry Rajoelina satria tsy nahazo rariny tany ary voateny mafy tany. Tsy voahaja ny fifanarahana hametrahana fitoniana sy filaminana eto Madagasikara, ka tafiditra ao anatin’izany ny fepetra napetraka fa tokony hotanterahana mba hisian’ny fifidianana milamina, madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra. Fomba firesaka ara-diplaomatika io, fa raha tsorina ny tian’ny filohan’ny Troikan’ny SADC ambara dia diso ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina, nisisika ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena indray, kanefa tamin’ny 12 mey 2010 dia efa nilaza fa tsy ho kandida, rehefa nivoaka ilay «ni…ni» taorian’ny diniky ny roa tonta tany Seychelles, dia mbola nanaiky ihany izy fa tsy ho kandida ny tenany ny 15 janoary 2013. Tampotampoka teo anefa, araka ny efa ahafantaran’ny rehetra azy dia nivadika tamin’ny teny nomeny indray i Andry Rajoelina ka lasa kandida. Mampihomehy mba tsy ilazana hoe hevi-jaza ny fiarovan-tenany.
I Marc Ravalomanana ihany, hono, no Lalao Ravalomanana, ka rehefa kandida i Neny dia foana izany ilay «ni…ni» koa dia hilatsaka hofidiana izy. Mety misy ny olona resin’i Andry Rajoelina lahatra amin’izany, fa raha ny SADC sy ny sehatra iraisam-pirenena aloha, dia tsy horebirebena amina lojikan-jazakely tahaka izany. Rehefa nifanaiky fa hoe samy tsy ho kandida i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina dia izay no izy. Tsy nisy fifanarahana tovana kosa anefa nilaza fa tsy mahazo milatsaka hofidiana koa ny vady aman-janak’izy ireo sy ny fianakaviana akaiky azy ka izay no tsy mampitombina ny fialana balan’ny filohan’ny tetezamita milaza fa Marc Ravalomanana ihany i Lalao Ravalomanana. Mbola hihaona amin’ireo filoham-panjakana eo anivon’ny SADC ato ho ato ny filoha Tanzanianina Jakaya Kikwete, ary aorian’izay dia hiverina hihaona indray izy sy ny filohan’ny tetezamita. Dia asa indray izay fanapahan-kevitra hivoaka avy eo, fa raha ity fomba fisainan’ny filohan’ny tetezamita ity aloha no ekena dia ho hafahafa ihany ny fandehany, satria raha i Lalao ihany no Marc, dia i Mialy ihany koa izany no Andry, ka tsy mety koa izany satria filoha mitantana ny fikambanana Fitia koa izany i Andry Rajoelina, izy anefa filoham-pirenena.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.